• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Elgeco Plus
Image
Sport

Coach Roro : "PFL, ekipa samy mafy ny Elgeco Plus sy ny FC Rouge"

30/05/2026 15:48 © Moov

Sahala ny isa tamin'ny lalao roa nandroso sy ny niverina tamin’ny 1/4 de final (lalao miverina). Tafita tamin'ny Fandakana ny Tirs au but 4 noho 2 kosa nefa ny Mpampiantrano ELGECO PLUS.

Naneho ny heriny ny FC Rouge

Vao nanomboka dia niezaka ny Elgeco Plus hanenjika ny isa 1 zay nahavoa azy ireo tamin'ny lalao mandroso, ka nisy ireo baolina ( 2 occasions de but) tao anatin'ny 10mn voalohany. Nidona teny amin'ny transversale moa ny iray tamin'izany. Noho izany, nifoha tamin'ny torimasony kosa ny FC Rouge ka nisy ny baolina tokony ho fatin'izy ireo tamin'ny alalan'i Thino N°9 teo amin'ny minitra faha 30. Mbola nitohy izany fanafihana izany ka mbola nisy ihany koa ireo baolina 2 hafa tokony ho tafiditr'izy ireo, saingy tsy nahomby izany fa mbola teo Toldo Mpiandry Tsato-by (GB) ny Elgeco nanakana izany.
Isa 0-0 moa no nisarahan'ny roa tonta tamin'ny fiafaran'ny amapaham-potoana voalohany.

Tsy namelan’ny Elgeco Plus raha tsy azony ny fandresena

Niezaka nanova tetika i Careca Mpanazatran'ny Elgeco Plus ka nanolo Mpilalao : nivoaka i Pita(30) ary niditra i Jinida(29). 10mn taorian'izay dia nisy vokany izany ka nisy ny daka avy any amin'ny sisiny havanana nodakan'i Lalane(27) izay tsy voatazon'i DANICA Mpiandry Tsato-by (GB) ny Fc Rouge izay voatsiriakan'i Ismael(9),ilay tera-tany Camerounais nitovy ny isa teo raha hatambatra ny lalao 2 mandroso sy miverina. Niezaka nitady irika na ny an-daniny na ny ankilany. Nifamaliana ny fanafihana fa samy tsy nahitana vokany. Somary maromaro ihany koa ny fifandonana sy fihantsiana niseho teny ambony kianja matetika ny Mpitsara no mampiantso ny Capitaines 2 lahy fa maro ny fihetsika tsy mifanaraka sy mihoatra ny tokony ho izy. Matetika no tafakatra eny ambony kianja ny Mpanazatra 2 lahy sy ireo Mpilalao mpiandry (Remplaçants) miaraka amin'ireo Staffs ny équipes 2 tonta. Teo amin'ny faha 80 dia nahazo karatra mena mihintsy Lalane vodilaharana havanana ho an'ny Elgeco Plus ka nahatonga azy ireo nilalao 10, izay tsy dia hita loatra izay fahambangana Mpilalao izay nandritra ilay 10mn farany.
Io isa 1 noho 0 io no nisarahana, ka tsy maintsy niroso tamin' ny fandakana ny TAB ny Équipes 2 tonta satria izay no voasoratra ao amin'ny "Règlements de Compétition". Nahatafiditra 4 ny Elgeco raha 2 monja kosa ny Fc Rouge ka ny iray dia voasakan'i Toldo ny dakan'i Leka kosa dia nisavoana ambony loatra.

Tafita hiatrika ny lalao Manasa-dalana (1/2 Final) ny Elgeco Plus.Izy no ekipa faharoa manampy ny Disciples Fc izay efa tafita raha nandresy indroa nisesy ny Fosa Juniors avy any Mahajanga (0-4 aller 1-0 retour) hiatrika ny 1/2 Final PFL 2026. Ny lalao roa hafa dia ho tanterahina ny Alarobia 3 jona : CFFA vs COSFA ary AJESAIA vs AS Ste ANNE.

Lire la suite

Articles Similaires