• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fanalalahana ny lalana : Fiara maherin’ny 10 no nampidirina ambalam-pamonjana teto Antananarivo

04/06/2026 14:32 © Moov

Nanomboka ny talata teo ny hetsika fanalalahana ny lalana, tanterahin’ny Koaminina Antananarivo Renivohitra (CUA), ary mbola mitohy hatrany izany. Tao anatin’izay fotoana izay dia efa maherin’ny 10 ny fiara efa nampidirina ambalam-pamonjana.

Hentitra ny fepetra raisina

Efa herinandro maromaro izay no nanentanan’ny avy ao amin’ny Kaominina ny tokony hanalana ny fiara mety hibahana ny lalana. Tafiditra ao anatin’izany ireo fiara simba (épave), izay efa tsy miasa intsony. Eo ihany koa ireo fiara mpanao « décodage ». Raha ny fanazavana dia efa nampahafantarina mialoha, ny tompon’ireny fiara ireny. Nisy tamin’izy ireo no efa nanala ny fiarany raha mbola nisy ireo nijanona teny, toy ny teny Ampandrana sy Analakely. « Tao anatin’izay roa andro izay dia manodidina ny 10 eo ho eo izao ny fiara efa nampidirina ambalam-pamonjana noho izay tsy fanarahan-dalàna izay », hoy ny Commissaire Albert Estel Ainanirina, Talen’ny fifamoivoizana ao amin’ny CUA. Hentitra ny fepetra araka izany satria natao handaminana ny tanàna, izany.
Mazava moa ny tanjon’ny hetsika dia ny fanalalahana ny lalana, izay ampiasain’ny fiara sy ny olona. Tanjona ny hanesorana ireo sakana manelingelina ny fivezivezena sy manimba ny endriky ny tanàna, hoy ny avy ao amin’ny CUA.

Manaraka dingana ny fepetra raisina

Mitohy hatrany ny hetsika, raha ny fanazavana satria ho an’ny tombontsoan’ny tsirairay. Isan’ny tombony amin’izy ity ihany koa ny fampihenana ny toham-boivoy satria heverina halalaka kokoa ny lalana. Efa azo lazaina hita taratra izany eo amin’ny faritry ny Analakely eo.
Nanamarika moa ny avy ao amin’ny CUA fa manaraka dingana samihafa ny fandraisana ny fepetra. Ny tsotra indrindra amin’izany ny fampahafantarana ny mpamily. Fiaraha-miasa amin’ny Polisim-pirenena izay hampianatra ny mpampiasa lalana aloha. Mety hiafara amin’ny fisintomana ny taratasin’ny fiara ihany koa izany ary ho tonga amin’ny fampidirana ambalam-pamonjana. Isan’ny fepetra mety ho raisina ihany koa ny fisintomana ny fahazoan-dalana mamily ho an’ireo mpamily.
Marihina fa mitohy hatrany io hetsika io, raha somary ihazakazahana izy amin’izao fiantombohany izao.

Lire la suite

Articles Similaires