Soatanana : Tany mirefy 250Ha voaaro, manamafy ny famokarana ara-pambolena
Ao amin’ny distrikan’i Betroka, faritra Anosy, dia efa afaka trandrahina tanteraka ny velaran-tany voatondraka ao Soatanana. Hitondra fanantenana vaovao ho an’ny fambolena any an-toerana izany.
Dingana lehibe amin’ny fiarovana ny famokarana sy fanamafisana ny faharetan’ny fiveloman’ny mponina ambanivohitra ity tetikasa tohanan’ny Vondrona Eoropeana amin’ny alalan’ny fandaharan’asa AFAFI-Sud ity.
Fotodrafitrasa lehibe mikasika ny rano
Ao amin’ny Fokontany Itroha, Kaominina Bekorobo, no misy ity toerana ity, izay nahazo fotodrafitrasa goavana miantoka ny fitantanana maharitra ny rano. Anisan’izany ny tohodrano vita amin’ny simenitra sy vy mirefy 50 metatra ny halavany ary 2,75 metatra ny haavony, miaraka amin’ny fidiran-drano lehibe.
Eo koa ny lakandrano fototra, na fantsona lehibe mirefy 4,6 kilometatra, ary rafitra fanampiny maro toy ny mpanala fasika, tetezana iray, tetezana ho an’ny mpandeha an-tongotra roa, fantsona fandraisana rano iraika ambin'ny folo, “partiteurs” telo, ary “ponceau”. Ireo fotodrafitrasa ireo no ahafahana mizara ara-drariny ny rano sy mitantana tsara ny famatsian-drano amin’ny tanimboly.
Vokatra mivantana ho an’ny tantsaha
Noho ireo asa ireo dia efa azo antoka fa hahazo rano, voaara-maso sy voalamina ny 250 hektara amin’ny tany afaka hambolena. Mahatratra 190 ny tokantrano misitraka mivantana izany, izay tafavory ao anatin’ny fikambanan’ny mpampiasa rano AUE Andriry Miray.
Manamafy ny famokarana ity fotodrafitrasa ity, indrindra ny famokaram-bary sy ny vokatra ilaina amin’ny andavanandro. Mampihena ny fahavoazana ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny hain-tany, ihany koa. Vokatr’izany dia mihatsara ihany koa ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny mponina.
Etsy ankilany dia mihoatra noho ny fotodrafitrasa tsotra, ity tetikasa ity. Raha ny fanazavana dia manampy amin’ny fanamafisana ny fampandrosoana maharitra eny ambanivohitra, izy. Ny fananana rano voaaro sy voatsinjara mantsy dia midika fitoniana amin’ny famokarana sy fanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha.




