Riake Mahasoa : Hamafisina ny fahafahan’ireo vondrom-piarahamonina mitantana ny harena an-dranomasina
Nanatanteraka fitsidihana ofisialy tao amin’ny Réserve de Biosphère Tsimanampesotse Nosy Ve Androka, ireo tompon’andraikitra ambony eo amin’ny sehatry ny jono ny 9 ka hatramin’ny 11 jona. Nandritra izany no nampahafantarana ny zava-bitan’ny tetikasa Riake Mahasoa any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.
Fitaovana ho fampiroboroboana ny jono maharitra
Nasongadin’ny WWF Madagasikara nandritra ny fitsidihana ny fanohanana natao ho an’ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka ao anatin’ny tetikasa. Anisan’izany ny fanolorana fitaovana fanjonoana voafantina ho an’ireo mpanjono any amin’ireo kaominina iasana, mba hanatsarana ny fepetra iasan’izy ireo sy hampihenana ny tsindry mahazo ny harena an-dranomasina eny amorontsiraka.
Nahazo fitaovana fanentanana ny Federasiona Milanoriake, entina manamafy ny fampahafantarana sy ny fanabeazana ny mponina momba ny fiarovana ny harena an-dranomasina sy ny tontolo amorontsiraka.
Ankoatra izany, nomena fitaovana fanjonoana an-dranomasina lavitra ireo rafitra mitantana ny LMMA (Faritra An-dranomasina Tantanin’ny Vondrom-piarahamonina), ahitana tady monofilament 50 kg sy 200 kg, « leurres » ary kojakoja hafa mifanaraka amin’izany.
Fanamafisana ny fitantanana sy ny toekarena manga
Etsy ankilany dia nisitraka fitaovana fitahirizana trondro ireo kaoperativa ao Beheloke, Befasy ary Maromena. Izany no natao mba hanatsarana ny fomba fitantanana ny vokatra sy hanamafisana ny anjara asan’izy ireo amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary.
Nomena fitaovana fiarovana ihany koa ireo polisin-driaka modely, toy ny akanjo fiarovana, « masque » ary « gilet », mba hanatsarana ny fepetra iasan’izy ireo mandritra ny fanaraha-maso sy fiarovana ny harena an-dranomasina.
Araka ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Jono sy Fiompiana anaty rano, ireo fitaovana ireo dia natao hampiroboroboana ny jono tompon’andraikitra sy maharitra, sady hanampy amin’ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny tokantrano, ny fiantohana ny sakafo ary ny fahasalaman’ny mponina.
Marihina moa fa tanterahin’ny WWF Madagasikara miaraka amin’ny CRS Madagasikara ary vatsian’ny Blue Action Fund vola, ny tetikasa Riake Mahasoa. Tanjon’izy io ny hanamafy ny fahafahan’ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro, hiaro ny tontolo an-dranomasina sy an-tanety ary hampiroborobo ny toekarena manga maharitra any amin’ireo kaominina fito iasany, dia Anakao, Soalara, Beheloke, Efoetse, Itampolo, Androimpano ary Androka.




