Ara-dalàna ve ny fahatsapana fanina rehefa noana ?
Ara-dàlana ny fahatsapana fanina rehefa noana ary zavatra mahazatra izany. Matetika dia vokatry ny fihenan’ny fihenan’ny tahan’ny siramamy ao anaty ra na ny tsy fahampian’ny angovo ilain’ny vatana sy ny atidoha no mahatonga izany. Raha toa kosa ka miverimberina matetika na mahery loatra ny fanina dia tsy tokony atao tsirambina, satria mety misy olana ara-pahasalamana hafa miafina ao ambadik’izany.
Inona no mahatonga ny fahatsapana fanina rehefa noana ?
Rehefa ela tsy misakafo isika dia mampiasa tsikelikely ny tahirin’ny siramamy na « glucose » ao aminy ny vatana. Ny atidoha kosa dia mila « glucose » mba hahafahany miasa tsara. Raha mihena be ny tahan’ny siramamy ao amin’ny ra dia mety hiteraka fanina sy fahalemilemena.
Ankoatra ny fahatsapana fanina dia mety hiteraka soritr’aretina hafa ihany koa ny hanoanana, toy ny:
-Fangovitana na fihovitrovitry ny vatana;
-Havizanana tampoka;
-Fahasarotana mifantoka;
-Aretin’andoha;
-Fahakizitinana;
-Hatsembohana mangatsiaka.
Matetika ireo soritr’aretina ireo dia manambara fa mila angovo avy amin’ny sakafo ny vatana.
Iza no mora tratran’izany?
Misy olona sasany mora mahatsapa fanina rehefa noana kokoa noho ny hafa. Anisan’izany:
-Ireo olona zatra mandigana sakafo;
-Ny vehivavy bevohoka;
-Ireo voan’ny diabeta;
-Ny olona manao « régime » voafetra loatra;
-Ireo manao fanatanjahan-tena mafy nefa tsy misakafo ampy.
Mety ho lehibe kokoa ny fiovan’ny tahan’ny siramamy ao amin’ny ra amin’ireo olona ireo ka mahatonga ny soritr’aretina ho tsapa kokoa.
Mampidi-doza ve ny fanina vokatry ny hanoanana?
Amin’ny ankapobeny dia mihena na misinda ny fahatsapana fanina rehefa misakafo na misotro zavatra misy angovo ny olona iray. Amin’ny ankapobeny dia tsy mampidi-doza izy io raha indraindray ihany vao mitranga. Tsara kosa nefa ny manatona mpitsabo raha toa ka :
-Miverimberina matetika ny fanina na dia efa nisakafo aza;
-Misy fahatoranana na tsy fahatsiarovan-tena miaraka aminy;
-Mihamafy hatrany ny soritr’aretina;
-Misy fitempon’ny fo tsy ara-dalàna, fahitana manjavozavo na fahasarotana miteny.
Mety manondro olana ara-pahasalamana hafa mila fitsaboana ireo tranga ireo.
Ahoana no hisorohana izany?
Misy fahazarana tsotra afaka manampy hisorohana ny fanina vokatry ny hanoanana:
-Tsy mandingana sakafo;
-Mihinana sakafo voalanjalanja ahitana proteinina, fibra ary « glucide » mahasoa;
-Misotro rano ampy isan’andro;
-Mitondra sakafo maivana ara-pahasalamana raha mifanalavitra loatra ny fotoam-pisakafoana;
-Tsy manao « régime » voafetra be loatra.




