Bevohoka : torohevitra hampitoniana ny maloiloy amin’ny maraina
Isan’ny zavatra mampijaly ny bevohoka maro amin’ny fiandohan’ny fitondrana vohoka ny fahatsapana maloiloy amin’ny maraina. Amin’ny ankapobeny dia misinda ho azy izy io aorian’ny fahatelo volan’ny vohoka. Mba hampitoniana io maloiloy amin’ny maraina io dia misy ireo fikafika natoraly afaka manampy sy tsy atahorana ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
Tsy mitsangana eo am-pandriana raha tsy avy nihinan-javatra kely
Matetika dia vao eo am-pifohazana maraina no tena manomboka mihodina ny loha sy misamboaravoara ny ao an-kibo. Ny anton’izany dia satria foana nandritra ny ora maromaro ny kibo ka nitarika fihenan’ny tahan’ny siramamy anaty rà. Io fihenan’ny siramamy anaty rà io na « hypoglycémie » dia mampitombo ny maloiloy eo amin’ny bevohoka.
Mba hisorohana izany dia tsy mitsangana amin'ny fandriana mihitsy raha tsy mbola nihinana zavatra kely. Izany hoe, alohan’ny handeha hatory dia asiana tsakitsaky kely toy ny « biscuit » eo an-doham-pandriana. Rehefa mifoha amin’ny maraina dia mihinana kely aloha, miandry 15 hatramin’ny 20 minitra eo am-pandriana, vao mitsangana miadana.
Zarazaraina hoanina tsikelikely ny sakafo
Ho an’ny bevohoka maloiloy amin’ny maraina dia tsy voatery hajaina ny fitsipika mahazatra hoe misakafo be in-3 isan’andro. Mba tsy ho feno loatra ny vavony, na mifanohitra amin’izay hoe tsy misy n’inon’inona ao anatiny, dia ny fisakafoanana matetika amin’ny fatra kely no vahaolana mety.
Izany hoe mihinana sakafo kely in-5 na in-6 voazara tsara mandritra ny andro. Halavirina ny sakafo matavy loatra, misy zava-manitra (épices) be loatra na mamy loatra, satria tena manahirana ny vavony ny mandevona azy ireny. Sakafo tsotra, mangatsiaka na matimaty no tsara kokoa noho izy ireny tsy mahery fofona.
Mihinana sakamalaho hampitoniana ny maloiloy
Ny sakamalaho dia fitsaboana natoraly hampitoniana ny maloiloy amin’ny maraina eo amin’ny bevohoka. Ny Fikambanana Manerantany momba ny Fahasalamana (OMS) rahateo dia manaiky azy io. Misy akora mampitony ny fandevonan-kanina ao amin’ny sakamalaho.
Maro ny fomba afaka hinanan’ny bevohoka azy io hampihenana ny fahatsapana maloiloy. Azo atao dite, izany hoe alona anaty rano mafana ny sakamalaho voakiky dia asiana ranom-boasarimakirana kely. Azo atao « confit » ihany koa dia iny no tsentsafina mandritra ny andro.
Misotro rano ampy sy amin’ny fotoana mety
Tena ilaina tokoa ny misotro rano, saingy raha toa ka efa misamboaravoara ny ao am-bavony dia tsy mety ny tonga dia misotro rano iray vera indray mandeha satria mety vao mainka hampandoa izany.
Ny mety dia misotro rano tsikelikely fa matetika anatin’ny tontolo andro. Raha azo atao dia ivelan’ny fotoana fisakafoanana no misotro azy io raha tena mahatsapa maloiloy be. Mety manampy ny fanisiana ranona voasarimakirana kely anatin’ny rano sotroana hampihena ny maloiloy.




