Lefakozatra : Ahafahana mamantatra mialoha ny fivezivezen’ny poliovirus ny fanarahamaso ara-tontolo iainana
Efa azo fantarina mialoha, ny fivezivezen’ny poliovirus eto Madagasikara, na dia mbola tsy misy aza ny tranga lefakozatra miseho. Azo atao izany amin’ny alalan’ny rafitra fanarahamaso ara-tontolo iainana tanterahin’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) amin’izao fotoana izao.
Fomba iray hamantarana mialoha ny fisian’ny tsimokaretina
Ny lefakozatra dia aretina vokatry ny tsimokaretina mora mifindra izay mahazo indrindra ireo zaza latsaky ny dimy taona tsy mbola vita vaksiny. Ho an’ny sasantsasany dia mety hiteraka fahalemena na fahafatesan’ny hozatra, ary tsy azo sitranina intsony, izy io. Na dia tsy misy aza ny fitsaboana afaka manasitrana tanteraka ny aretina, dia mbola ny fanaovana vaksiny no fiarovana mahomby indrindra, hoy hatrany ny IPM.
Ankoatra ny fanaraha-maso ireo olona ahiana ho voan’ny aretina, dia manana paikady ahafahana mamantatra mialoha ny fivezivezen’ny poliovirus ihany koa i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaraha-maso ara-tontolo iainana, izay mifototra amin’ny fitiliana santionan-drano maloto mba hahitana raha misy ny tsimokaretina ao anatin’ny fiarahamonina iray. Ny poliovirus moa raha tsiahivina dia virosy mahatonga ity aretina ity.
Tombony lehibe amin’ity fomba ity ny fahafahana mahita ny fisian’ny poliovirus alohan’ny hisehoan’ny tranga lefakozatra. Manome fotoana ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana izany handraisana fepetra haingana sy hanamafisana ny fanaovana vaksiny eny ifotony.
Anjara toerana lehibe sahanin’ny Institut Pasteur de Madagascar
Ny Laboratoire National de Référence misahana ny lefakozatra ao amin’ny Institut Pasteur de Madagascar, izay ivotoerana ankatoavin’ny OMS ho an’i Madagasikara sy Maorisy, no iray amin’ireo andry fototra amin’ity rafitra ity.
Izy no miandraikitra ny fitiliana ireo santionan-tsinga nalaina tamin’ireo olona ahiana ho voan’ny fahalemena tampoka ary koa ireo santionan-drano maloto nalaina eny amin’ny tontolo iainana. Manerana ny Nosy ny fanaraha-maso ireo tranga mampiahiahy, raha any amin’ireo tanàn-dehibe heverina ho marefo indrindra kosa no anatanterahana ny fanaraha-maso ara-tontolo iainana.
Raha tsiahiviana dia vao roa herinandro izay no voamarina fa nahitana tranga tany Betioky Atsimo, raha tamin’ny taona 2025 no voalaza fa tapitra io aretina io eto Madagasikara. Araka izany dia manamafy ny manam-pahaizana, fa ilaina hatrany ny fanaovana vaksiny sy ny fitohizan’ny fanaraha-maso mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina sy hiarovana ireo sokajin’olona marefo indrindra.
Manoloana izany dia hita fa tena ilaina ihany koa ity rafitra fampitandremana mialoha ity. Ny fampahafantarana vao haingana nataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka momba ny fisian’ireo karazana poliovirus hitan’ny LNR ao amin’ny IPM dia mbola mampiseho ny maha-zava-dehibe ity rafitra ity, ihany koa.




