Fananan-tany : Titra miisa 2 000 efa vonona ho an’ny mponina ao Iarinarivo - Ambohidratrimo
Miditra amin’ny dingana vaovao ny Opération Domaniale Concertée (ODOC) ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Iarinarivo, Distrikan’Ambohidratrimo. Titra miisa 600 no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ho an’ireo mpisitraka, omaly 29 jon. Efa hozaraina miandalana ihany koa ny 1 400 ambiny. Eo am-panomanana kosa ny titra manodidina ny 2 000 hafa ho fanamafisana ny fiarovana ny zon’ny tompon-tany.
Hetsika hanamafisana ny fiarovana ny fananan-tany
Tanterahin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany miaraka amin’ny tetikasa PRODUIR, ity hetsika ity. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny Fanjakana, izay hamoaka sy hizara titra miisa 50 000 manerana an’i Madagasikara, izany. Nandritra ny lanonana fanolorana ireo titra ireo, dia ny minisitra Lylyson René de Rolland, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, no nizara izany tamin’ny fomba ofisialy. Etsy ankilany, mbola hisy titra manodidina ny 1 400 hozaraina tsikelikely ho an’ireo mpisitraka efa voafaritra. Mikasika indrindra ireo tany ao Tsaramiafara IV sy Anjobo, mirefy manodidina ny 215 hektara sy ahitana mihoatra ny 2000 sombin-tany, ireo titra ireo.
Ankoatra izany moa dia efa manomana titra miisa 2 000 fanampiny ihany koa ny minisitera, izay hatokana ho an’ireo mpanajary hafa ao amin’ny kaominina, amin’ny sarany mora indrindra, 5 ariary isaky ny metatra toradroa.
Fanamorana ny fahazoana titra
Raha tsiahivina dia napetraka ny paikady ODOC mba hamahana ireo olana navelan’ny tantara. Betsaka ireo tany mbola voasoratra amin’ny anaran’olona tamin’ny andron’ny fanjanahantany, noho ny tsy fisian’ny antontan-taratasy toy ny sora-pahafatesana na fanamarinam-pandovana.
Mba hahafahana manome titra ara-dalàna ireo mpanajary ankehitriny dia nafindra tamin’ny Fanjakana aloha ireo tany, vao nosoratana tamin’ny anaran’ireo tena tompony. Nanomboka tamin’ny taona 2022 ny asa tao Iarinarivo, ka tanjona ny hanafaingana sy hanamorana ny fahazoan’ireo mpampiasa tany ara-dalàna titra.
Ankoatra ny fanomezana taratasy ara-panjakana, mikendry ny hanome antoka maharitra ho an’ireo fianakaviana amin’ny fananany ity hetsika ity. Amin’ny alalan’ny fiarovana ara-dalàna ny tany dia antenaina ny hampiroborobo ny fampiasam-bola amin’ny fambolena, hanamora ny fahazoana famatsiam-bola ary handray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eny ambanivohitra, sady hanatratra ny tanjona hanitarana ny fananan-tany voaaro manerana an’i Madagasikara.




