Génération 2000 andiany faha-4 : Hamoha fahatsiarovana sy fihetseham-po ireo mpanakanton’ny taona 2000
Mpanakanto am-polony no indray hiara-hiakatra ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina, amin’ny alahady 19 aprily ho avy izao, ao anatin’ny hetsika Génération 2000. Andiany faha-4 ny amin’ity taona 20026 ity, karakarain’ny SR Event.
Famondronana ireo ngezalahin’ny taona 2000
Vanim-potoana nametraka tantara teo amin’ny tontolon’ny mozika malagasy ny taona 2000. Gadona maro samihafa, samy nanana ny hanitra ho azy, no indray niroborobo nandritra izany, raha tsy hitanisa afa-tsy ny rap sy ny RnB. Fotoana nampalaza ny tarika ivondronana tovolahy, na tovovavy ranofotsiny, izay nantsoina hoe : « boys band » sy « girls band », ny taona 2000. Izany tantara nolalovan’ny mozika malagasy izany, miampy ny fahatsiarovana sy ny fihetsehem-po nifanindran-dalana taminy, no hofohazin’ny hetsika Génération 2000 indray, amin’ity andiany faha-4 ity.
Notsiahivin’i Sylvanno Ratsimandresy, mpanorina ny SR Event, fa tsy ireo olona teraka tany amin’ny taona 2000 akory no tondroina amin’ny hoe : « Génération 2000 » eto, fa ireo mpanakanto nanana ny maha izy azy tamin'ny taona 2000. Famondronana ireo ngezalahy (rassemblement des grands), no nanoritany azy, satria notsongaina ireo mpanakanto mbola tsy mety adino hatramin’izao. Ho an’ity andiany ity, dia hiombon-tsehatra ao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina i Marion, Tovo J'Hay, Spydee, Tempo Gaigy, Imagine, Fascination, 3 isanjato ary 18,3. Mbola hisy ihany koa ny mpanakanto roa hafa tsy ampoizina, hasaina hanafana ity fampisehoana ity.
Fisehoana an-tsehatra mihavao foana
Nandritra ny fampahafantarana ny hetsika androany, teny amin’ny Campus Yas eny Andraharo, dia nilaza ny avy ao amin’ny tarika 18,3 fa ilay rakipeo « M'Nday Figo », izay nanamarika ny fiandohan’ny tarika, no haverin’izy ireo an-tsehatra indray. Misy ny fanavaozana ny mozika, izay nampiasana fitaovana raitra mifanaraka amin'ny vanim-potoana ankehitriny. Ny tarika Tempo Gaigy kosa dia nampanantena fisehoana an-tsehatra mihavao foana, mba hampiavaka an’ity indray mitoraka ity amin'ny seho teo aloha.
Fandraisan'anjara fanintelony moa ny an’ny tarika Tempo Gaigy, tahaka izany koa ny an’i Marion. Ity farany dia nanamarika fa isan’ireo nankafy ny mpanakanton’ny taona 2000 ihany koa izy, izay hiara-hiaka-tsehatra aminy tsy ho ela. I Marion moa dia tany amin’ny taona 2005 no nanomboka fantatra tao anatin’ny tontolon’ny mozika malagasy. Ho an’i Tovo J’Hay, ity hetsika Génération 2000 ity dia fampahatsiahivana ara-mozika ny zavatra niainana tamin’izany taona 2000 izany, ka vonona izy ny hanome ny tsara indrindra ho an’ny mpijery.
Hetsika mampifandray ny Malagasy
Nametraka tantara tsy hay hadinoina ny taona 2000. Izany indrindra no tarigetran’ny Hamac, izay misehatra eo amin’ny tontolon’ny serasera, amin’ny fanohana ity hetsika ity. Ho an’ny Yas Madagascar kosa, dia zava-dehibe ny fanohanana ireo mety ho hetsika rehetra mampivondrona sy mampifandray ny Malagasy, tahaka izao. Mandritra ny fampisehoana rahateo, dia hisy tranohevan'ny Yas eny an-toerana, hahitana ireo vokatra atolotr’ity orinasam-pifandraisan-davitra ity. Hisy ihany koa ny kilalao mety hahazoana loka, na ao anatin’ireo tambajotra sosialin'ny Yas, na eny an-toerana mandritra ny andron’ny fampisehoana.
Hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro ny hetsika Génération 2000, eny amin’ny lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, ary haharitra ora efatra.




