Fahazarana manampy hitazomana ny hery sy tanjaka rehefa mihantitra
Tsy voatery ho lasa kely hery sy very tanjaka ny olona iray rehefa mihantitra. Marina fa miova tsikelikely ny vatana rehefa mandroso taona, nefa misy fahazarana tsotra afaka manampy hitazonana ny tanjaka sy ny fahavitrihana mandritra ny taona maro. Rehefa mikarakara vatana isan’andro dia azo atao tsara ny mijanona ho mavitrika, mahaleo tena ary salama tsara na dia efa antitra aza.
Manao hetsika ara-batana isan’andro
Ny fanaovana hetsika ara-batana (exercices) sy fanatanjahantena isan’andro no isan’ny fomba tsara indrindra hitazonana ny hery sy ny fahasalamana. Izy ireo dia manatsara ny fikorian’ny ra, mampatanjaka ny hozatra, miaro ny tonon-taolana ary manatsara ny fiasan’ny fo.
Tsy voatery hanao fanatanjahantena mafy akory. Ny fandehanana an-tongotra mandritra ny 30 minitra isan'andro, ny fitaingainana bisikileta, ny filomanosana, ny fanaovana zaridaina na ny fanazaran-tena tsotra mampatanjaka hozatra dia efa ampy hitazonana ny vatana ho salama.
Mihinana sakafo voalanjalanja
Mila sakafo tsara kalitao ny vatana mba hiasa tsara sy hitazomana ny angovo. Anisan’ny sakafo tokony atao laharam-pahamehana ny :
-voankazo sy legioma;
-proteinina tsara kalitao toy ny trondro, atody, tsaramaso ary henan'akoho;
-voamadinika feno (céréales complètes);
-tavy mahasalama toy ny menaka oliva, voanjo ary zavoka.
Ny proteinina no tena zava-dehibe indrindra rehefa mihantitra satria manampy hiaro ny hozatra tsy hihena izy ireny. Tsara kosa raha ahena ny sakafo voahodina be izay matetika be siramamy, sira sy tavy tsy mahasalama.
Misotro rano ampy
Matetika rehefa mihantitra dia mihena ny fahatsapana hetaheta. Ny tsy fahampiana rano amin’ny vatana, na dia kely fotsiny aza, dia mety hiteraka havizanana, fahasarotana mifantoka, aretin’andoha ary fanina. Tsara arak’izany ny misotro rano tsy tapaka mandritra ny tontolo andro, eny na dia tsy mahatsiaro hetaheta aza. Manampy amin'ny fanomezana rano ny vatana ihany koa ny lasopy, ny voankazo be rano ary ny dite sasany.
Matory ampy sy tsara kalitao
Mandritra ny torimaso no miverina amin'ny laoniny ny vatana ary miasa tsara kokoa ny atidoha. Na dia mety ho mora tapaka aza ny torimaso rehefa mihantitra, dia ilaina ny:
-matory sy mifoha amin'ny ora mitovy isan'andro;
-mampihena ny fampiasana efijery alohan'ny hatory;
tsy misotro kafe amin'ny hariva;
-mitazona ny efitra fatoriana ho mangina sy mangatsiatsiaka.
Ny torimaso tsara kalitao sy ampy dia manampy betsaka amin'ny fitazonana ny hery isan'andro.
Mitazona ny tanjaky ny hozatra
Manomboka eo amin'ny faha-50 taona dia mihena tsikelikely ny hozatra raha tsy misy fanatanjahantena. Ny fanaovana fanazaran-tena mampatanjaka hozatra in-droa na intelo isan-kerinandro dia manampy hitazonana ny tanjaka, ny fahaleovantena ary ny fifandanjana. Manamora ihany koa ny fihetsika madinika andavanandro toy ny fiakarana tohatra, fitondrana entana na fipetrahana sy fitsanganana.
Mampiasa sy manaitaitra ny atidoha
Mila fanazarana tsy tapaka ihany koa ny atidoha. Ny famakiana boky, fianarana fahaiza-manao vaovao, fianarana fiteny vaovao, filalaovana lalao mampiasa saina na famahana teny miafina dia manampy hitazonana ny fahaizan'ny atidoha. Manan-danja ihany koa ny fifandraisana amin'ny hafa satria manampy amin'ny fitazonana ny fahasalaman'ny saina sy ny toe-po tsara izany.
Miala sigara ary ahena ny fisotroana alikaola
Manafaingana kokoa ny fahanteran’ny taova maro ary mampihena ny fahafahan’ny havokavoka miasa tsara ny fifohana sigara. Ny fisotroana alikaola be loatra kosa dia mety hiteraka havizanana, hanimba ny torimaso ary hampitombo ny mety hisian'ny areti-mitaiza maro. Ny fampihenana na fampitsaharana ireo fahazarana ireo dia manampy hitazonana ny hery sy ny fahasalamana mandritra ny fotoana maharitra.




