• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Ady amin'ny tsifanjariantsakafo : hampitombo ny famatsiam-bola ny Fanjakana Malagasy, hialana amin'ny fiankinan-doha

17/07/2026 08:36 © Moov.Mg

Nisongadina nandritra ny fitokanana tamin’ny fomba ôfisialy ny foibem-pitantanana vaovaon’ny Biraom-pirenena misahana ny Fanjariantsakafo (ONN), teny Nanisana omaly 16 jolay, fa tsy maintsy ampitomboin’ny Fanjakana Malagasy ny fandraisany anjara ara-bola amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo. Tanjona ny hampihenana ny fiankinan-doha amin’ny famatsiam-bolan’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny.

Tokony hatsangana ny « Basket Fund »

Nambaran’ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison, fa tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny governemanta ny fampitomboana ny tetibolan’ny ONN. Namafisiny fa tsy azo ekena intsony ny toe-javatra misy amin’izao, satria dia mbola ny ampahany betsaka amin’ny vola enti-miady amin’ny tsifanjariantsakafo no avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Araka ny nambarany, tokony ho fanohanana fanampiny ihany ny avy amin’ny vahiny fa ny Malagasy kosa no tokony hitondra ny ezaka fototra.

Ho fanamafisana izany fahavononana izany dia nanolo-kevitra ny hananganana "Basket Fund" ny Praiminisitra, mba hahafahan’ny fanjakana sy ny sehatra samihafa eto an-toerana miara-mamatsy ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo.

Ambony ny tahan'ny tsifanjariantsakafo mahery vaika

Efa nihena ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka eto Madagasikara, izay niainga tany amin’ny 39% tamin’ny taona 2021 ary mitaha 37% ankehitriny, araka ny valin’ny dinika momba ny toe-piainan’ny ankohonana (Fanadihadiana MICS) taona 2024-2025. Tanjona ny hampidinana io taha io ho 30%, mialohan'ny handraisan'ny mpitondra manaraka ny fahefana, hoy ny praiminisitra. Etsy an-daniny, mbola olana goavana ny tsifanjariantsakafo mahery vaika, indrindra any Atsimo sy Atsimo Atsinanana, ary mbola hita amin’ny faritra maro hafa. Mahatratra hatrany amin'ny 11% ny taha ankapoben'izany, araka ny valin'ny fanadihadiana MICS bivoaka farany hatrany.

Nambaran’ny Jeneraly Lucien Rabearimanana, Mpanolo-tsaina Avon’ny Filohan’ny Repoblika, fa mila firaisankina sy fifanomezan-tanana ny ady amin'ny tsifanjariantsakafo. Ny foibe vaovaon’ny ONN, izay novatsian’ny Banky Iraisam-pirenena, dia heverina fa hanamafy ny fandrindrana ny hetsika ho amin'ny fanjariantsakafo eto Madagasikara, saingy ny faharetan’ny ezaka dia miankina indrindra amin’ny fahafahan’i Madagasikara mamatsy vola bebe kokoa ny politikam-pirenena hiadiana amin’ny tsifanjariantsakafo.

Lire la suite

Articles Similaires