• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wwf Madagascar
Image
Vaovao

Atsimo-Andrefana : Tetikasa haharitra telo taona hanamafisana ny fahafahan’ny mponina miatrika ny fiovan’ny toetrandro

30/07/2026 16:25 © Moov

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tao Toliara ny tetikasa « Hetsiky ny firaisamonim-pirenena ho an’ny vahoaka, ny zavaboary ary ny toetrandro ». Tetikasa tanterahin’ny WWF Madagascar sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, miaraka amin’ny famatsiam-bola avy amin’ny NORAD, izy io. Vinavinaina ho tanaterahina ao anatin’ny telo taona ny fanamafisana ny fahaizan’ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka miatrika ny fiovan’ny toetrandro sady miaro ny harena an-dranomasina.

Nohamafisina ny fitantanana ifotony

Fianakaviana maro no mivelona amin’ny jono sy ny harena an-dranomasina, ao amin’ny faritra Atsimo-Andrefana. Mihena sy mihasimba anefa ireo harena ireo noho ny fanjonoana tafahoatra sy ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro. Vokatr’izany, miha-sarotra ny fiveloman’ireo mponina izay miankina betsaka amin’ny ranomasina. Hahafahana mamaha izany olana izany dia anisan’ny laharam-pahamehan’ny tetikasa ny fanamafisana ny fitantanana ny harena an-dranomasina amin’ny alalan’ny fanohanana ny LMMA (Aires Marines Gérées Localement). Hamafisina ihany koa ny fisafoana sy ny fanaraha-maso ny jono mba hiantohana ny fampiasana maharitra ireo harena an-dranomasina.
Hampitomboina ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny mponina amin’ny fanapahan-kevitra. Hahazo fiofanana sy tohana ny Fédération Milanoriake sy ireo fikambanan’ny tanora mba hanamafisana ny fahaiza-manaony sy ny andraikiny eo amin’ny fitantanana ny harena voajanahary.

Fivelomana sy fahavononana manoloana ny loza

Etsy andaniny dia hanampy amin’ny fanatsarana ny fiveloman’ny mponina ihany koa ny tetikasa, indrindra ny vehivavy sy ny tanora, amin’ny alalan’ny fanohanana ny koperativa, ny fanofanana ary ny fanamorana ny fivarotana ny vokatra.
Etsy ankilany, hatsangana ny rafitra fampitandremana mialoha sy ny fandraisana andraikitra haingana hiomanana amin’ireo loza ateraky ny fiovan’ny toetrandro. Natomboka tao Toliara ny tetikasa, saingy eny ifotony no handrefesana ny tena fahombiazany, amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina sy ny fiarovana maharitra ny harena an-dranomasina.

Lire la suite

Articles Similaires