Fahasalamana : Ireo aretina mety mahatonga hetaheta tafahoatra
Ara-dalàna ny fahatsapana hetaheta rehefa avy nanao fanatanjahantena, rehefa mafana be ny andro, na rehefa avy nihinana sakafo masira. Saingy rehefa lasa mafy loatra sy maharitra ny hetaheta, ary sarotra ny mampitsahatra azy na dia efa nisotro rano betsaka aza, dia mety ho famantarana aretina izany. Io toe-javatra io moa no antsoina hoe « polydipsie ». Ireto avy ireo aretina lehibe mety mahatonga hetaheta tafahoatra ary rahoviana no tokony hanatona dokotera ?
Inona ny « polydipsie »?
Ny « polydipsie » dia fahatsapana hetaheta mihoatra ny mahazatra ka mahatonga olona iray hisotro rano betsaka kokoa noho ny tokony ho izy. Matetika izy io dia miaraka amin’ny fivoahan-drano betsaka amin’ny pipy (polyurie), satria miezaka mamoaka ny rano be loatra ny vatana. Raha maharitra maromaro io toe-javatra io nefa tsy misy antony mazava dia tsara raha manao fitiliana. Inona avy àry ireo aretina mety mahatonga azy ?
Diabeta : antony mahazatra indrindra
Ny diabeta no iray amin’ireo antony lehibe sy mahazatra indrindra mahatonga hetaheta tafahoatra. Rehefa miakatra be ny tahan’ny siramamy ao anaty rà dia miezaka mamoaka izany amin’ny urine ny voa. Vokany, very rano betsaka ny vatana ka mahatonga hetaheta tsy mety lefy. Anisan’ireo soritr’aretina hafa mety miaraka aminy ny fivalanan-drano matetika, havizanana be, fihenan-danja tsy fantatra antony, fahitana manjavozavo, aretina miverimberina. Ny fitiliana ra no manamarina na tsia ny fisian’ny diabeta.
Aretin’ny voa
Ny aretina sasany mahazo ny voa dia mampihena ny fahafahan’ny voa manangona sy mitahiry rano. Vokany, very rano betsaka kokoa ny vatana ka mitombo ny hetaheta. Anisan’ny soritr’aretina mety hitranga ny fivontosana amin’ny tongotra, havizanana, fiakaran’ny tosidrà, fiovan’ny loko na ny habetsaky ny pipy.
« Hypercalcémie » (kalsioma be loatra ao anaty rà)
Mety hiteraka hetaheta tafahoatra ihany koa ny kalsioma be loatra ao anaty rà na ny atao hoe « hypercalcémie ». Izy io dia mety ho avy amin’ny olan’ny « glandes parathyroïdes », homamiadana sasany na fanafody sasany. Mety hisy soritr’aretina hafa hiseho miaraka amin’ny hetaheta tafahoatra, toy ny maloiloy, fitohanana, fahalemen’ny hozatra, fanaintainan’ny taolana, fahaverezan-tsaina amin’ny tranga mafy.
« Syndrome de Sjögren »
Ny « Syndrome de Sjögren » dia aretina « auto-immune » izay manimba ny « glandes » mamokatra ranomaso sy rora. Matetika ny olona voan’izy io dia mahatsiaro maina be ny vava ka voatery misotro rano matetika. Misy soritr’aretina hafa mety mitranga : maso maina, fahasarotana mitelina sakafo maina, havizanana maharitra, fanaintainan’ny tonon-taolana.
Fanafody sasany
Tsy aretina foana no mahatonga hetaheta tafahoatra. Misy fanafody sasany mety hahatonga azy io ihany koa, toy ny :
-« diurétiques »,
-fanafody sasany mitsabo aretina ara-tsaina,
-fanafody sasany mitsabo tosidrà,
-fanafody sasany mitsabo homamiadana.
Fadiana ny manatsahatra irery ny fanafody raha tsy misy toromariky ny dokotera.
Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?
Tsara ny manatona mpitsabo raha toa ka:
-maharitra andro maromaro ny hetaheta tafahoatra,
-mivoaka pipy be dia be,
-misy fihenan-danja, havizanana na fahitana manjavozavo,
-miaraka amin’ny tazo, mandoa na famantarana tsy fahampian-drano (déshydratation).
Mety hanao fizahana sy fitiliana ra sy urine ny dokotera hahitana ny antony.
Azo sorohana ve?
Miankina amin’ny antony ny fisorohana. Ny sakafo voalanjalanja, fanatanjahantena, fisotroana rano araka ny tokony ho izy, ary ny fanaraha-maso ara-pahasalamana dia manampy amin’ny fisorohana aretina sasany mahatonga hetaheta tafahoatra.




