• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Atody tarimo na « ganglion » : mety hivonto na dia tsy misy aretina lehibe aza

14/08/2026 13:52 © Moov.Mg

Toe-javatra fahita ny fivontosan’ny « ganglions lymphatiques » na ny atody tarimo. Mivonto izy ireny rehefa miasa mafy miady amin’ny aretina ny hery fiarovan’ny vatana. Matetika dia miseho izany rehefa misy aretina lehibe. Misy ihany nefa toe-javatra hafa mety mahatonga ny fivontosan’ny « ganglions » nefa tsy misy aretina lehibe ambadik’izany.

Inona moa ny « ganglion » na atody tarimo ?

Ny atody tarimo na « ganglion lymphatique » dia vongan-javatra madinika miparitaka amin’ny faritra samihafa amin’ny vatana. Anisan’ny « système lymphatique » izy ireo ary manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny vatana amin’ny otrikaretina sy ireo sela tsy ara-dalàna.
Rehefa miasa mafy ny hery fiarovan’ny vatana, dia mety hitombo vetivety ny haben’ny atody tarimo. Rehefa mitranga izany dia mora tsapa amin’ny tanana izy, indraindray toy ny vongana kely eo ambanin’ny hoditra ary mety haharary rehefa kitihina.

Ny sery tsotra dia efa mety hampivonto ny atody tarimo

Tsy voatery hisy aretina mafy vao mivonto ny atody tarimo. Ny sery, aretin-tenda, « irritation » amin’ny tenda, na olana madinika amin’ny nify dia efa mety hampihetsika ny hery fiarovan’ny vatana.
Ireo « ganglions » eo amin’ny tenda amin’ny ankapobeny no mety hivonto rehefa misy olana mahakasika ny tenda, orona, sofina na vava. Mety mbola ho hita mandritra ny fotoana fohy aorian’ny fahasitranan’ny aretina nahatonga azy moa io fivontosana io.

Mety hahatonga izany ihany koa ny ratra na « irritation » kely amin’ny hoditra

Ny ratra kely, kiaka, kaikitry ny bibikely na « irritation » amin’ny hoditra dia mety hampivonto ny atody tarimo eo akaikin’ilay faritra voakasika.
Ohatra, raha misy ratra na aretina madinika eo amin’ny tanana, dia mety hivonto vetivety ny « ganglion » ao ambanin’ny helika.

Mety hitranga aorian’ny fanaovana vaksiny

Ny fanaovana vaksiny ihany koa dia mety hampivonto atody tarimo mandritra ny fotoana fohy. Ny vaksiny mantsy dia manetsika ny hery fiarovan’ny vatana mba hahafahany mamorona fiarovana amin’ilay aretina kendrena.
Noho izany, mety hisy fivontosana kely ireo « ganglions », indrindra ireo amin’ny faritra akaikin’ny toerana nanaovana ny tsindrona. Amin’ny ankapobeny dia mihena tsikelikely izany rehefa mandeha ny fotoana.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?

Na dia tsy mampidi-doza aza matetika ny fivontosan’ny atody tarimo dia tsara ihany ny manatona mpitsabo raha toa ka :
-mitombo hatrany ilay atody tarimo na tsy mihena rehefa mandeha ny fotoana;
-tena mafy na toa miraikitra amin’ny sela manodidina;
-mivonto tsy misy antony mazava ary maharitra;
-miaraka amin’ny tazo maharitra;
-miaraka amin’ny hatsembohana be amin’ny alina na fihenan-danja tsy niniana;
-eo amin’ny faritry ny taolan-tratra akaikin’ny vozona (clavicule) no misy azy;
-na miaraka amin’ny fahatsapana ho marary na reraka tsy mahazatra.
Isan’ny zavatra jeren’ny mpitsabo ny toerana misy ilay « ganglion », ny habeny, ny hamafiny ary ny fiovany rehefa mandeha ny fotoana mba hamaritana raha ilaina na tsia ny hanaovana fitiliana fanampiny.

Lire la suite

Articles Similaires