Fahasalaman’ny nify sy ny ativava : Hodinihina ireo fanavaozana azo entina eo amin’ny sehatry ny fitsaboana
Mikendry ny hanavao ny sehatry ny fitsaboana ny nify sy ny ativava eto Madagasikara ireo mpitsabo nify sy ativava. Izany no isan’ny hiompanan’ny fifampidinihana sy fifampizarana, mandritra ny Kongresy Nasionalin’ny Mpitsabo Nify sy Ativava, izay hotanterahina ny 19 hatramin’ny 21 aogositra 2026, any Morondava, Faritra Menabe. Manodidina ny 300 ireo mpitsabo andrasana handray anjara amin’ity fihaonana ity.
Hifantoka amin’ny fanavaozana
Hodinihina mandritra ity Kongresy ity ireo olana sedrain’ny mpitsabo nify sy ativava any amin’ny faritra samihafa, ary hiarahana mitady ny vahaolana. Anisan’ny laharam-pahamehana ihany koa ny fanofanana mitohy, mba hahafahan’ireo mpitsabo manavao hatrany ny fahalalany sy mampifanaraka ny fomba fitsaboana amin’ny fivoaran’ny teknolojia maneran-tany.
« Fanavaozana ny fitsaboana ny nify sy ny ativava » rahateo no no lohahevitra hovoizina mandritra ny kongresy. Araka ny fanazavan’ny Dr Rabemananjara Daniel, filohan’ny Holafitry ny Mpitsabo Nify sy Ativava eto Madagasikara, dia mandroso hatrany ny teknolojia amin’ity sehatra ity any ivelany, ka mila manaraka izany ihany koa i Madagasikara. Tsy ambaka ny any ivelany ireo mpitsabo nify sy ativava eto amintsika, hoy izy
Fifampizarana traikefa
Ankoatra ny fampianarana, hisy ny fifampizarana traikefa eo amin’ireo samy mpisehatra amin’ny fitsaboana ny nify sy ny ativava. Hisy ihany koa ny asam-baomiera handinihana ireo olana samihafa mahakasika ny asa, toy ny fanaovana ireo dokam-barotra any anaty tambajotran-tserasera, izay indraindray, mety manohina ny tandrohasina sy ny malin’asa eo amin’ireo mpitsabo.
Nanomboka androany moa dia efa nisy ny hetsika, tamin’ny alalan’ny asa sosialy notanterahina tao amin’ny fonjaben’i Morondava. Fitsaboana nify sy ativava maimaim-poana no natolotra, niarahana tamin’ireo mpitsabo ao Menabe sy ireo mpitsabo avy amin’ny faritra maro. Araka ny fanazavana dia lafo ny fitsaboana ny nify sy ny ativava, ary matetika tsy dia mahazo tolotra ara-pahasalamana sahaza ireo voafonja, antony nanatanterahana ity hetsika ity.




