• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prrm
Image
Vaovao

Fanarenana ny seranan-tsambon’i Mahajanga : Nanome famatsiam-bola 10 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena

30/08/2026 09:05 © Moov.Mg

Notokanana omaly 29 aogositra 2026, tao Mahajanga, ny dingana voalohany amin’ny fanarenana ny seranan-tsambo. Mitentina 10 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena nampiasaina tamin’ireo asa, izay mikendry ny hanatsara ny fahafahan’ny seranana mandray sy mampandeha ny fivezivezen’ny entana sy ny olona.

Fanarenana sy fanatsarana

Anisan’ny asa vita tamin’ity dingana voalohany ity ny fanarenana sy fampitoviana tantana ny moron-dranomasina. Napetraka ihany koa ireo fitaovana fanaraha-maso, anisan’izany ny fakantsary fiarovana (caméra de surveillance) manerana ny seranan-tsambo. Ankoatra izay dia nampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena ISPS ny seranana, raha novatsiana fitaovana manaraka ny fenitra ireo sampan-draharaha miasa ao anatiny.

Nisongadina nandritra ny lanonam-pitokanana fa dingana voalohany ihany izao fanarenana izao. Araka izany, mbola hitohy ny ezaka fanatsarana, mba hahafahan’ny seranan-tsambon’i Mahajanga mandray anjara bebe kokoa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara.

Vavahady ara-barotra

Manana toerana stratejika ny seranan-tsambon’i Mahajanga, indrindra noho ny fifandraisany amin’ireo faritra maro eto Madagasikara sy ireo nosy manodidina. Lalovan'ireo sambo mihazo io seranana io ny faritry ny « Canal de Mozambique », ka mampisokatra an'i Mahajanga amin’ny faritra avaratra sy atsimo andrefana ary amin’ny Nosy Kaomoro ny fisian'ity seranan-tsambo ity.

Nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, fa mitondra vokatra ho an’ny toekarena sy ny mponina izao fanarenana izao. « Ny seranan-tsambo toy izao, rehefa mihodina tsara, dia fanoitra ho an'ny fampandrosoana ny Faritra ary fototry ny fivoaran'ny Firenena », hoy izy

Manamora ny fifandraisana

Ho an’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, ny tanjona dia ny hahatonga ny seranan-tsambon’i Mahajanga ho fitaovana lehibe hanatevin-daharana ny toekarena Malagasy sy hanamora ny fifandraisan’ny Nosy sy ireo firenena manodidina, indrindra i Kaomoro. Araka izany, nanamafy ny minisitra Andrianavalona Ramanambola Herizo, fa hitohy hatrany ny asa fanarenana, mba hanatsarana ny fivezivezen’ny entana sy hanamafisana ny fifandraisana ara-barotra.

Tonga nanotrona ity lanonana fitokanana ny fanarenana ny seranan-tsambon'i Mahajanga ity moa ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, ny Filohan’ny Antenimierampirenena Randrianasoloniaiko Siteny, ireo minisitra sy solombavambahoaka sasantsasany ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny.

Lire la suite

Articles Similaires