Loza ateraky ny zava-mahadomelina : fantaro ny mikasika ny « overdose »
Marihana isa-taona ny faha 31 Aogositra ny Andro Iraisam-pirenena ho Fisorohana ny Overdose. Miompana amin’ny fampahafantarana ny loza mety ateraky ny fampiasana zava-mahadomelina sy ny fomba ahafahana misoroka ny fahafatesana vokatry ny « overdose » moa izy io. Manampy indrindra amin’ny fisorohana ny fahafantarana ny atao hoe « overdose » sy ireo loza ateraky ny zava-mahadomelina.
Inona marina ny atao hoe « overdose »?
Ny « overdose », na fatra tafahoatra, dia mitranga rehefa misy akora na zava-mahadomelina raisina amin’ny habetsahana mihoatra noho izay zakan’ny vatana. Miankina amin’ny karazana zava-domelina noraisina ny fiantraikan’ny « overdose ». Mety izy io hisy fiantraikany mafy amin’ny fofonaina, ny fitempon’ny fo, ny fahatsiarovan-tena ary ny fiasan’ny atidoha. Amin’ny tranga sasany dia mety hitarika fahafatesana mihitsy.
Maro ny antony mety hampitombo ny loza, anisan’izany:
-ny karazana zava-mahadomelina sy ny heriny;
-ny habetsahana ny fatra noraisina;
-ny fahazaran’ny vatana amin’ilay zava-mahadomelina;
-ny toe-pahasalaman’ilay olona;
-ny fampifangaroana zava-mahadomelina na akora maro;
-ny tsy fahafantarana marina ny zavatra ao anatin’ilay vokatra ampiasaina.
Noho izany dia tsy mora ny maminavina mialoha raha mety hiteraka « overdose » ny fampiasana zava-mahadomelina iray.
Inona avy ireo famantarana fa tratrin'ny « overdose » ny olona iray?
Ny fahafantarana haingana ireo fambara fa manao « overdose » ny olona iray dia mety hanampy amin’ny fandraisana andraikitra ara-potoana.
Miovaova arakaraka ny karazana zava-mahadomelina ny soritr’aretina, saingy tokony hiahiahy raha mitranga ireto manaraka ireto :
-tsy mahatsiaro tena na sarotra fohazina ilay olona;
-miadana be, tsy ara-dalàna na mijanona ny fofonainy;
-torana;
-mifanintona;
-misavorivory be na tsy mahafantatra ny zava-misy manodidina azy;
-mety hiova ho manga na volondavenona ny molotra na ny faritra sasany amin’ny vatana.
Tokony ho raisina ho tranga vonjy taitra ara-pahasalamana raha tsy mahatsiaro tena ilay olona ary tsy ara-dalàna ny fofonainy (respiration).
Inona no atao raha ahiahiana ho tratran’ny « overdose » ny olona iray ?
Raha misy olona ahiahiana ho tratran’ny « overdose », dia tokony hangataka vonjy ara-pitsaboana avy hatrany na hitondra azy any amin’ny toeram-pitsaboana akaiky indrindra, arakaraka ny fahafahana misy eo an-toerana.
Eo am-piandrasana ny fanampiana ara-pitsaboana:
-Jerena izy raha mamaly rehefa antsoina na kitihina hijerena raha miaina ara-dalàna.
-Antsoina malaky ny mpamonjy voina na ny sampan-draharaha ara-pahasalamana afaka mamaly ny vonjy taitra, ary arahana ny toromarika omeny.
-Raha tsy mahatsiaro tena ilay olona nefa mbola miaina ara-dalàna, dia atao izay hahazoana antoka fa tsy voasakana ny lalan-drivotra. Azo apetraka amin’ny toerana mampilamina sy miaro ny fofonaina izy, toy ny « position latérale de sécurité », raha mety amin’ny toe-java-misy.
-Raha tsy miaina ara-dalàna ilay olona, dia atomboka ny fanomezana vonjy taitra sy ny famelomana aina (réanimation), araka ny toromarika omen’ny mpamonjy voina, raha misy mahay izany ny olona manatri-maso.
-Tsy avela irery ilay olona.
-Tsy omena sakafo na zava-pisotro ary tsy terena handoa.
Zava-mahadomelina sy fiankinan-doha: inona no maha zava-dehibe ny fisorohana ?
Mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina ny fampiasana zava-mahadomelina. Ankoatra izay dia mety hisy fiantraikany amin’ny fiainam-pianakaviana, ny fianarana, ny asa ary ny fifandraisana amin’ny fiaraha-monina ihany koa.
Ny fiankinan-doha dia mety hahatonga olona iray ho sahirana amin’ny fifehezana na fialana amin’ny zava-mahadomelina na dia efa hita aza ny voka-dratsiny.
Noho izany dia tokony hatomboka aloha ny fisorohana ary tokony hahavoakasika sokajin’olona maro: ankizy sy tanora, ray aman-dreny, mpampianatra, mpiasan’ny fahasalamana sy ny vondrom-piarahamonina.
Raha ny eto Madagasikara manokana dia afaka mitana anjara toerana lehibe amin’izany ny fanentanana eny an-tsekoly, eny amin’ny oniversite, any amin’ny toeram-pitsaboana ary eny anivon’ny vondrom-piarahamonina.
Fisorohana fa tsy fanilikilihana: Ny maha-zava-dehibe ny fanentanana
Ny tahotra sy ny fanilikilihana dia mety hanakana ny olona iray tsy hiresaka momba ny fandraisany zava-mahadomelina na tsy hitady fitsaboana.
Noho izany, ny fisorohana mahomby dia tokony hampita vaovao mazava momba ny loza ateraky ny zava-mahadomelina, sady manamora ny fahazoan’ireo olona voakasika fitsaboana sy fanohanana.
Ny mpiasan’ny fahasalamana dia afaka manampy amin’ny fanombanana ny toe-javatra, ny famantarana ny mety hisian’ny fiankinan-doha ary ny fitarihana ilay olona any amin’ny fandraisana an-tanana mety aminy.




