Fanohanana ireo marefo : Manolotra « kits scolaires » 1 200 ho an’ireo mpianatra ny Fondation Axian
Maro amin’ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana marefo no mila fanohanana manokana amin’ny fiatombohan’ny taom-pianarana. Ho fanampiana azy ireo amin’izany, nanomboka androany 2 septambra 2026 ny fizarana fitaovam-pianarana miisa 1 200, karakarain’ny Fondation Axian manerana an’i Madagasikara. Ny andiany voalohany, miisa 400, dia natolotra teny amin’ny Fifanampiana Centre Rassoul Akram (FCRA), Antaniavo Antohomadinika.
Fitaovana ho an’ny ankizy miisa 400
Kahie, penina, kitapo ary kojakoja fototra ilaina amin’ny fianarana no mandrafitra ireo « kits scolaires » atolotry ny Fondation Axian hanohanana ireo ankizy mpianatra marefo manerana ny Nosy. Ho an’ny FCRA, ankizy 400 no hisitraka izany, ka tafiditra ao anatin’izany ireo taizaina eo anivon’ny ivon-toerana sy ireo mpianatra monina ivelan’ny « centre », saingy sahirana ara-pivelomana.
Araka ny fanazavan-dRakotoarivony Haingo, mpandrindra ara-akademika eo anivon’ny FCRA, dia hisitraka izany ireo ankizy tohanan’ny FCRA ao Antaniavo Antohomadinika, Andakana, Manakara ary Sakoana. « Ho entina manohana ireo mpianatra eo anivon’ny « centre » ireo « kits scolaires » », hoy izy. Tsy vao sambany moa, fa efa dimy taona izao no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Axian sy ny FCRA.
Tsy hijanona amin’ity andiany voalohany tontosa androany ity ny fizarana. Ireo « kits scolaires » 800 ambiny dia hozaraina mandritra ireo herinandro ho avy, ho an’ireo fianakaviana marefo, fikambanana, ivon-toerana fitaizana zaza kamboty ary sekoly mila fanohanana any amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara. « Efa fanao isan-taona ny fizarana « kits scolaires » tahaka izao », hoy, avy eo anivon’ny Fondation Axian.
Fanohanana ny sehatry ny fanabeazana
Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanohanana ny fanabeazana ataon’ny Fondation Axian izao hetsika fampitaovana ny mpianatra sahirana izao. Araka ny fanazavan-dRavelonjato Claudia hatrany, sekoly maherin’ny 240 no efa naorin’ny Fondation, na narenina sy natsaraina, hatramin’izao. Miitatra amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampandrosoana ara-tsosialy ihany koa anefa ny fandaharanasan’ny Fondation Axiaan, miaraka amin’ireo fikambanana sy mpisehatra eny ifotony.
Izao fizarana fitaovam-pianarana izao, dia mikendry ny hanamaivanana ny vesatra mianjady amin’ireo fianakaviana sahirana amin’izao fiverenan’ny ankizy an-tsekoly izao indray. Ho an’ny Fondation Axian, tokony ho afaka misitraka ireo fepetra rehetra ilaina amin’ny fanatontosana ny fianarana ny ankizy tsirairay, mba hahafahany manomana ny hoaviny.




