• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Reny&Zaza

Matory be loatra noho ny mahazatra ny zaza : rahoviana no tokony hiahiahy ?

02/09/2026 16:48 © Moov.Mg

Tena ilaina amin’ny fitomboana sy ny fivelaran’ny zaza ny torimaso. Ao anatin’ny volana voalohany amin’ny fiainany dia ara-dalàna raha mandany ny ankamaroan’ny fotoanany amin’ny torimaso izy. Na izany aza, maro ny ray aman-dreny no manahy rehefa mahatsikaritra fa matory be loatra noho ny mahazatra ny zanany, sarotra fohazina, na toa tsy dia mamaly loatra ny manodidina azy. Tokony hampanahy ve izany? Inona ny famantarana tokony handrisika hanatona mpitsabo ?

Inona no mahatonga ny zaza hatory bebe kokoa indraindray?

Miovaova arakaraka ny taonany sy ny dingana lalovany ny filana torimaso eo amin’ny zaza. Noho izany dia tsy mahagaga raha misy fotoana izy matory ela kokoa na matetika kokoa noho ny mahazatra.
-Fotoanan’ny fitomboana haingana (poussée de croissance) : Mandritra ny fotoana itomboan’ny zaza haingana dia miasa mafy ny vatany. Mety hahatonga azy hatory bebe kokoa izany mba hahafahany miala sasatra sy manohana ny fitomboany.
-Andro nahitana zavatra maro : Fitsangatsanganana, fivahiniana any amin’ny havana, fanovana tontolo iainana, na fifaneraserana maro dia mety hampiasa hery betsaka amin’ny zaza. Rehefa avy nandalo andro nahafinaritra sy feno zava-baovao izy dia mety mila torimaso bebe kokoa.
-Dingana iray amin’ny fivoarana : Mivoatra haingana hatrany ny atidohan’ny zaza mandritra ny taona voalohany. Indraindray, ny fianarana fahaiza-manao vaovao toy ny fihodinkodinana, fipetrahana na fandehanana dia mety hiaraka amin’ny fitomboan’ny torimaso.
-Aretina madinika : Rehefa miady amin’ny viriosy na aretina vao manomboka ny vatana dia mety hampatoritory kokoa ny zaza mba hanampiana ny fahasitranany.

Inona avy ireo famantarana mampandry saina?

Na dia matory be kokoa noho ny mahazatra aza ny zaza dia misy famantarana sasany manome toky fa tsy misy olana lehibe, anisan’izany ny hoe :
-Mora mifoha izy rehefa fotoanan’ny fampinonoana na fisotroana ronono.
-Mihinana sy misotro ronono ara-dalàna.
-Mbola mando matetika tatiny (couche).
-Mavitrika sy mamaly tsara rehefa mifoha.
-Tsy misy tazo na soritr’aretina hafa mampiahiahy.
Matetika dia tsy mampanahy ny fitomboan’ny fotoana fatorian’ny zaza raha toa ka ireo famantarana ireo no hita.

Rahoviana no tokony hampiahiahy ny torimaso be loatra eo amin’ny zaza?

Misy famantarana sasany mila fitandremana manokana.
-Sarotra fohazina ny zaza. Raha zara raha mifoha hisakafo na toa rendremana mandrakariva ny zaza dia ilaina ny manatona mpitsabo.
-Mihena be ny fihinanany. Ny fandavana nono na « biberon » miaraka amin’ny torimaso tafahoatra dia mety manondro olana ara-pahasalamana.
-Tsy dia mamaly ny manodidina azy. Raha tsy mitsiky intsony ny zaza, malemy ny fitomaniany, na toa tsy manana tanjaka dia tsara ny mitady torohevitra ara-pitsaboana haingana.
-Misy tazo. Ny fifangaroan’ny tazo, ny havizanana be ary ny torimaso tafahoatra dia mety ho famantarana aretina mila fitsaboana.
-Mihena ny isan’ny taty mando. Mety ho famantarana tsy fahampian-drano (déshydratation) izany, indrindra amin’ny zaza madinika.
-Tsy ara-dalàna ny fofonainy. Ny fofonaina mafy, haingana loatra, misioka, na tsy milamina dia famantarana mila fitiliana haingana.

Rahoviana no tokony hitondra azy any amin’ny vonjy taitra?

Mitadiava fanampiana ara-pitsaboana avy hatrany raha toa ka :
-Tsy mifoha ny zaza na dia efa niezahana fohazina aza.
-Latsaky ny telo volana izy ary misy tazo.
-Sahirana miaina izy.
-Mivadika manga ny molotra na ny tarehiny.
-Mifanintona.
-Toa malemy be sy tsy manana hery mihitsy izy.
Ireo tranga ireo dia mila fitsaboana maika.

Lire la suite

Articles Similaires