• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meah
Image
Vaovao

Fiomanana amin’ny maintany : Manamafy ny fepetra hiantohana ny famatsian-drano ny MEAH

08/09/2026 15:09 © Moov

Manome toky ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana (MEAH) fa hiantoka hatrany ny famokarana sy ny fitsinjarana ny rano fisotro madio, manoloana ny mety ho vokatry ny haintany, raha ny nambarany tao amin’ny pejy « facebook ». Asa maro no efa vita na mbola an-dalam-pahavitana, na eto Antananarivo na any amin’ny faritra.

Asa laharam-pahamehana eto an-drenivohitra

Mety hiteraka olana amin’ny famokarana sy ny fitsinjarana ny rano fisotro madio ny vanim-potoan’ny maintany, noho ny fihenan’ny tahirin-drano. Mba hampihenana ny fiantraikany amin’ny mponina, dia nanamafy sy nanatsara ireo fotodrafitrasa efa misy, ny MEAH.
Anisan’ny asa laharam-pahamehana ny fanafainganana ny fahavitan’ny UTC1000 Mandroseza. Eo ihany koa ny fanamboarana ireo tobim-pamokarana sy fanadiovan-drano eny Andohan’i Mandroseza, Ankadindrantombo ary Tanjombato.
Hatsaraina ihany koa ny famokarana ao Mandroseza II Bis, havaozina ny toby fanadiovan-drano ao Mandroseza ary hamafisina ny fahafaha-mamokatra eny Faralaza. Ireo asa ireo dia natao hampitomboana ny habetsahan’ny rano azo ampiasaina sy hiantohana kokoa ny famatsiana.
Ankoatra izany, soloina ireo fitaovana simba ary apetraka ny vata famokarana herinaratra any amin’ireo toerana stratejika, toy ny Talatamaty, Anosizato, Itaosy, Sabotsy Namehana, Alasora, Androhibe, Betongolo, Ankadikely Ilafy ary Ambohidroa. Soloina ihany koa ireo ampahan’ny fantsona efa antitra eto Antananarivo Renivohitra. Eo an-dalam-panamboarana koa ireo lava-drano eny Ankatso, Amboditsiry ary ao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana. Ho fanampin’izany, hapetraka eny amin’ny fokontany maro ny siniben-drano.

Mitohy any amin’ny faritra ny ezaka

Tsy mifantoka eto Antananarivo ihany ny asa ataon’ny MEAH, raha ny fanazavana. Any amin’ny faritra maro ihany koa dia soloina ireo fitaovana sy fantsona simba, anisan’izany ny any Toamasina, Mahajanga, Marovoay, Antalaha, Nosy Be, Maintirano, Ampanihy ary Antsalova.
Mandroso ihany koa ny fananganana sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa, ary ny fanitarana ny tambazotran-drano any Soalala, Manakara, Mananjary, Ambalavao ary Manandriana. Eo ihany koa ny fanamboarana forage any Antsiranana, Toliara, Antsirabe ary amin’ireo toerana maro any Atsimo-Andrefana, Androy ary Anosy.
Hanohy ny fanohanana ny JIRAMA ihany koa ny MEAH, indrindra amin’ny fividianana fitaovana sy fantsona vaovao. Ho tonga koa ireo fiara lehibe hanampy amin’ny fitaterana rano. Ireo fepetra ireo dia natao hiatrehana ny haintany, izay mety hiharatsy noho ny fisian’ny El Niño amin’ity taona ity, ary hiantohana ny fahazoan’ny vahoaka rano fisotro madio tsy tapaka.

Lire la suite

Articles Similaires