• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Facebook
Image
Vaovao

Fandaharam-pianarana Malagasy 2026 – 2027 : Manome sehatra ireo mpanoratry ny vaninandro ankehitriny

11/09/2026 15:50 © Moov.Mg

Manomboka amin’ity taom-pianarana 2026-2027 ity, nasiam-panavaozana ny fandaharam-pianarana taranja Malagasy eny amin’ny ambaratonga faharoa. Anisan’ny fanovana misongadina amin’izany ny fampidirana ireo mpanoratry ny vaninandro ankehitriny sy ireo asa sorany ao anatin’ireo hianarana any an-dakilasy.

Ny R. Fidimanantsoa, poeta sy mpamoron-kira

Anisan’ireo tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ho an’ny kilasy T11, na « Première », i Ny R. Fidimanantsoa. Poeta, mpanoratra, mpamoron-kira ary mpitendry izy. Rakotonirina Fidimanantsoa Philibert no tena anarany ary nanomboka nanoratra tononkalo tany amin’ny taona 1992 tany ho any. Niditra ho mpikambana tao amin’ny HAVATSA-UPEM izy tamin’ny taona 1998. Anisan’ireo sanganasany nahazo fankasitrahana ny tononkalo Mahereza, izay nahazo loka voalohany tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny MAFAMI tamin’ny 1999. Eo koa ny tantara foronina « Kitoantoana », izay nahazo ny loka tokana tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Akademia Malagasy tamin’ny taona 2013.

Hita taratra amin’ireo tononkalony, tononkirany ary tantara noforoniny ny lohahevitra mifandraika amin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fiainana andavanandron’ny fiarahamonina. Misy ihany koa anefa ireo asa soratra mitondra endrika mahatsikaiky. Ankoatra ny literatiora dia nanangana ny Tarika Fangia Kalo Gasy izy, tamin’ny taona 2015, izay mikolokolo ny kalon’Imerina.

Hajaina, mpanoratra sady mpampianatra mpikaroka

Ho an’ny kilasy T11 hatrany, dia voafantina ihany koa i Andrianasolo Hajaina Naomy, fantatra amin’ny anarana maha-mpanoratra azy hoe : Hajaina. Mpanoratra, mpikabary, mpamoron-kira ary mpilalao tantara fihaino izy. Efa hatramin’ny taona 1990 tany ho any no nikirakirany asa soratra. Filohan’ny HAVATSA-UPEM izy ankehitriny ary mpikambana mpiombon’antoka ao amin’ny Akademiam-pirenena Malagasy, nanomboka tamin’ny 2014. Mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ihany koa izy, ary manomana « thèse de doctorat » momba ny literatiora.

Ho azy, anisan’ny mampifandray ireo andraikiny maro ny soratra. « Tiako ny soratra ary efa manavàtsa ato anatiko », hoy izy, raha nanazava ny antony nisafidianany ny literatiora.

Tsy Avahana Rahely, hanokatra pejy Facebook ho an’ny taranja malagasy

Anisan’ireo mpanoratra vaovao hianaran’ny mpianatra ao amin’ny taranja Malagasy ihany koa i Tsy Avahana Rahely, ho an’ny kilasy T10 na « Seconde ». Ankoatra ny maha-mpanoratra azy, dia mpampianatra taranja Malagasy no asa niandraiketany, saingy nilaza izy fa tsy afaka manatanteraka izany intsony amin’izao fotoana izao. Na izany aza, mikasa ny hanohy ny fizarana ny fahalalany amin’ireo mpianatra izy. Noho izany, amin’ny alalan’ny pejy Facebook iray izay kasainy hosokafana, dia hanome lesona fanampiny ho an’ireo mpianatra miomana amin’ny fanadinana Bakalôrea izy. Hifantoka amin’ny taranja Malagasy ireo votoaty havoaka ao, ka natao hanampy sy hanamafy ireo lesona efa omen’ny mpampianatra any an-tsekoly. Nanazava izy fa natao indrindra ho sehatra hifandraisana amin’ireo mpianatra sy hanohanana azy ireo mandritra ity taom-pianarana ity izany.

Araka izany, izao fanavaozana ny fandaharam-panabeazana eo amin’ny taranja malagasy izao dia misokatra kokoa amin’ireo mpanoratra ankehitriny. Heverina fa mampanakaiky kokoa ny mpianatra sy ny literatiora malagasy ary ireo asa soratra mifototra amin’ny vanim-potoana iainan’izy ireo izany.

Lire la suite

Articles Similaires