• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Futura Sciences
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo anton-javatra mampitombo ny mety hisian’ny « calculs rénaux »

15/09/2026 13:31 © Moov.Mg

Ny « calculs rénaux » na vato ao amin’ny voa dia fitambaran-tsira sy mineraly mivaingana miforona ao anatin'ny voa. Mety hiteraka fanaintainana mafy izy ireo rehefa mivezivezy ao amin'ny lalan-dranon'ny pipy. Na dia misy aza ny olona mora voan'ity olana ity noho ny antony ara-pirazanana, dia maro ihany koa ireo anton-javatra mifandray amin'ny fomba fiaina, sakafo ary toe-pahasalamana izay mampitombo ny « risques ».

Anton-javatra mety mampisy « calculs rénaux » : tsy fisotroana rano ampy

Anisan'ny antony lehibe mahatonga ny « calculs rénaux » na vato ao amin'ny voa ny tsy fisotroana rano ampy. Rehefa tsy ampy rano ny vatana dia lasa marihitra kokoa ny pipy, ka mora kokoa ho an’ireo mineraly sy sira ny miforona ao anatiny.
Ny olona sarotin-katsembohana, monina amin’ny toerana mafana na tsy dia zatra misotro rano mandritra ny andro no mora voakasik’izany. Ny fisotroana rano ampy dia manampy hampatsora kokoa ny pipy sy hisorohana ny fiforonan'ny vato na « cristaux ».

Fihinanana sira be loatra

Mampitombo ny habetsahan'ny kalsioma avoakan'ny vatana amin'ny pipy ny fihinanana sira be loatra. Rehefa betsaka ny kalsioma ao amin'ny pipy dia mitombo ny mety hisian'ny vato, indrindra ireo vato kalsioma (calculs calciques) izay tena fahita matetika.
Maro amin'ireo sakafo voahodina, sakafo efa vonona, saosisy, « charcuteries » ary tsakitsaky isan-karazany no ahitana sira betsaka. Afaka manampy amin'ny fiarovana ny voa ny fampihenana ny fihinanana ireny karazan-tsakafo ireny.

Fihinanana proteinina avy amin'ny biby be loatra

Ny hena mena, ny saosisy ary ireo sakafo maro avy amin'ny biby dia mety hampitombo ny « risques » hampisy vao ao amin’ny voa rehefa hoanina be loatra. Izy ireny tokoa mantsy dia mampitombo ny « acide urique » ao amin'ny vatana ary manova ny firafitry ny pipy.
Noho izany, ny sakafo manankarena proteinina avy amin'ny biby dia mety handrisika ny fiforonan'ny « calculs d’acide urique » sy karazana vato hafa ao amin'ny voa.

Ny lanja mihoatra sy ny hatavezana tafahoatra

Mampitombo ny « risques » hisian'ny olana ara-pahasalamana maro ny hatavezana, ka anisan'izany ny vato ao amin'ny voa. Ny fiovan’ny fiasan’ny vatana amin’ny ankapobeny vokatry ny hatavezana dia mety hanova ny firafitry ny pipy ka hanamora ny fiforonan’ny vato.
Mba hitazonana lanja ara-pahasalamana sy hampihenana ny « risques » dia tsara hatrany ny mihinana sakafo voalanjalanja sy manao fanatanjahantena tsy tapaka.

Aretina sy olana ara-pahasalamana sasany

Misy aretina maro mampitombo ny mety hisian'ny vato ao amin'ny voa, toy ny:
-« Goutte »;
-Diabeta;
-« Infections urinaires » miverimberina;
-« Hyperparathyroïdie »;
-Areti-mitaiza sasany amin'ny taovam-pandevonan-kanina.
Ireo toe-pahasalamana ireo dia mety hanova ny firafitry ny pipy na hampikorontana ny fomba fandraisan'ny vatana ireo mineraly ilainy, ka mampitombo ny mety hisian'ny vato.

Antony ara-pototarazo

Manana anjara toerana lehibe ihany koa ny lova ara-pototarazo. Raha efa nisy ray aman-dreny na havana akaiky voan'ny vato ao amin'ny voa, dia mitombo ny mety hahazoana izany.
Mety ho vokatry ny toetra manokana eo amin'ny fiasan'ny vatana na koa ny fahazarana ara-tsakafo iarahan'ny fianakaviana izany.

Fanafody sy fanampin-tsakafo sasany

Misy fanafody sy fanampin-tsakafo (compléments alimentaires) sasany mety hampitombo ny « risques » hisian'ny vato ao amin'ny voa, indrindra raha ampiasaina maharitra na amin'ny fatra avo.
Anisan'izany ny fanampin-kalsioma, vitamina C, ary fanafody sasany. Zava-dehibe ny fanarahana ny fatra voatondro ary ny fangatahana torohevitra amin'ny mpitsabo alohan'ny handraisana fanampin-tsakafo mandritra ny fotoana maharitra.

Ireo soritr’aretina voalohany tokony hahamailo

Mety tsy haneho soritr'aretina mandritra ny fotoana ela ny vato ao amin'ny voa. Na izany aza, tokony hampanahy ny:
-Fanaintainana tampoka eo amin'ny lamosina na ny valahana;
-Fanaintainana rehefa mipipy;
-Fisian’ny rà amin’ny pipy ;
-Fipipizana matetika kokoa noho ny mahazatra.
Raha miseho ireo soritr'aretina ireo dia ilaina ny manatona mpitsabo mba hisorohana ny fahasarotana sy hahitana ny antony mahatonga azy.

Lire la suite

Articles Similaires