Distrikan’Ifanadiana : Voamarina ny fisian’ny tazo, tazomahery, kitrotro ary tsifanjarian-tsakafo
Voamarina ao amin’ny Distrikan’Ifanadiana ny tazo, ny tazomahery, ny kitrotro ary ny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra eo amin’ny ankizy, raha ny tatitry ny fivoaran’ny toe-draharaha any an-toerana. Ny fitambaran’ireo aretina ireo no nahatonga tranga nahery vaika sy fahafatesana olona tany amin’ireo kaominina voakasika dia ny tao amin’ny Kaominina Ampasinambo sy Fasintsara.
Tranga nahafatesana olona 37
Olona 37 no voalazan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa namoy ny ainy tao amin’ireo kaominina roa ireo. Dimy tamin’ireo no nodimandry tany amin’ny toeram-pitsaboana, raha tany amin’ny fokonolona kosa ny ankamaroany.
Araka ny fanazavan’ny Dr Désiré Andrianina Rakotoarimino, Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana, eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia nisy tamin’ireo ankizy no tratran’ny tazo sy tazomahery niaraka. Hita ihany koa ny trangan’ny tsifanjarian-tsakafo. Nisy ihany koa ny fitiliana ny kitrotro ka ny 3 tamin’ireo singa 4 notliana no miabo. Raha ny fanazavana hatrany dia ny tranga farany nahafaty olona iray dia taorian’ny fahatongavan’ny Minisitera sy ny mpitsabo teny an-toerana. « Tazo mahery vaika no nahafaty azy », hoy ity mpitsabo ity.
Ireo toerana ireo dia anisan’ireo faritra ahitana tazo matetika. Mbola ambany ihany koa ny tahan’ny fanaovana vaksiny any an-toerana. Ankizy maromaro no voasokajy ho « zéro dose », izany hoe tsy mbola nahazo vaksiny. Ankizy telo tamin’ireo namoy ny ainy no tsy mbola vita vaksiny, raha ny tatitra hatrany. Raha ny fanazavana ihany koa dia alavitra io toerana io, izay 145 Km miala an’Ifanadiana, izay manano sarotra ny fifandraisana ka somary tara ny filazana ny zava-misy ka nahatonga izany vokatra somary ratsy izany.
Hamafisina ny fepetra fandraisana andraikitra
Na dia izany aza, voalazan’ny minisitera fa voafehy amin’izao fotoana izao ny toe-draharaha. Olona fito no mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly, ka enina amin’ireo no voan’ny tazo. Anisan’izany ny tranga iray mahery vaika, izay efa manomboka mihatsara.
Amin’izao fotoana izao dia nandefa ekipa 30 eo ho eo ahitana mpiasan’ny fahasalamana samihafa ny ministera. Isan’izany ireo manam-pahaizana manokana amin’ny fitiliana sy ny fitsaboana. Maherin’ny 400 kilao ihany koa ny fanafody nalefa tany an-toerana, raha 362 kosa ny isan’ny olona efa nojerena sy notsaboina. Raha ny tanjon’ny Minisitera dia ho voafehy tanteraka ao anatin’ny tapa-bolana io aretina io.




