• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo fanamarinana tokony hatao alohan'ny handehanana lavitra amin'ny fiara

24/09/2026 15:43 © Moov.Mg

Mitaky fiomanana kely mialoha ny fanaovana dia lavitra amin’ny fiara. Misy arak’izany ireo fanamarinana tsotra afaka manampy hisorohana ny fahasimbana eny an-dalana, hampitombo ny fiarovana ary hampilamina kokoa ny dia. Na handeha hiala sasatra, na hanao dia ara-barotra, na hamangy fianakaviana, dia ilaina ny manamarina ny toetry ny fiara alohan’ny hiaingana.

Alohan’ny handehanana lavitra amin’ny fiara dia mila jerena ny kodiarana

Anisan'ny singa manan-danja indrindra amin'ny fiarovana rehefa mandeha lavitra amin’ny fiara ny kodiarana. Alohan'ny hiaingana dia tsara ny manamarina:
-Ny tsindrin-drivotra ao amin'ny kodiarana araka ny toromarikan'ny mpanamboatra ;
-Ny toetry ny kodiarana amin'ny ankapobeny, sao misy triatra, vaky na fahasimbana hafa ;
-Ny halaliny kinifinifin’ny kodiarana, izay tsy tokony ho efa lany loatra ;
-Ny toetry ny kodiarana fanolo sy ny tsindrin-drivotra ao aminy.
Ny kodiarana « en bon état » dia manatsara ny firaiketan'ny fiara amin'ny arabe ary mety hampihena ny fandaniana solika.

Jereo ny haavon'ireo « liquides » ilaina

Maro ireo « liquides » ilaina amin'ny fiasan'ny fiara:
-Menaka motera,
-Ranon'ny rafitra fampangatsiahana (liquide de refroidissement),
-Ranon'ny hisatra,
-Ranon'ny fanadiovana fitaratra (lave-glace),
-Ranon'ny familiana « asistée » raha misy.
Ny tsy fahampian'ireo « liquides » ireo dia mety hiteraka olana ara-mekanika na hampidi-doza ny fiara.

Dinihana ny batterie

Ny batterie tsy matanjaka tsara intsony dia mety hahatonga ny fiara tsy handeha tsara, indrindra rehefa mijanona ela ny fiara. Mila jerena manokana ary handraisana fepetra ireto famantarana ireto:
-Sarotra na ela vao velona ny motera rehefa velomina ny fiara,
-Malefaka ny jiron'ny fiara,
-Mirehitra ny famantarana batterie eo amin'ny tabilao,
-Misy harafesina eo amin'ny « borne »ny batterie.
Raha efa antitra sy mampiseho ireo famantarana ireo ny batterie dia tsara ny mampanao fanaraha-maso na manolo azy alohan'ny handehanana.

Hamarinina ny jiro rehetra

Tokony hiasa tsara avokoa ny jiro rehetra:
-Jiro anoloana,
-Jiro lavitra,
-Jiro famantarana toerana,
-« Clignotant »,
-Jiro hisatra,
-Jiro « antibrouillard ».
Zava-dehibe ny fahitana sy fahitan'ny mpampiasa lalana hafa anao, indrindra amin'ny alina na rehefa ratsy ny andro.

Jerena ny « essuie-glaces »

Raha simba ny « essuie-glaces » dia mety hihena be ny fahitana rehefa avy ny orana. Koa tsara raha jerena :
-Ny toetry ny fingotra,
-Raha tsy misy rovitra,
-Raha mbola mamafa tsara ny fitaratra.
Raha mamela tsipika betsaka eo amin'ny fitaratra izy ireo, dia tsara ny manolo azy.

Hamarinina ny hisatra

Mila miasa tsara ny hisatra rehefa hanao dia an-jatony kilometatra. Raha misy feo hafahafa, fihovitrovitra, na « pedal frein » tsy mahazatra, dia tsara kokoa ny manatona mpanamboatra matihanina alohan'ny hiaingana.

Lire la suite

Articles Similaires