• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Belemboka-Bombetoka : Faritra arovana, fonenan’ireo karazam-borona tsy fahita firy, toy ny flamant rose

27/09/2026 17:51 © Moov.Mg

Anisan’ireo hetsika nanamarika ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny Fizahantany, notontosaina tao Mahajanga, ny fitsidihana ny faritra arovana Belemboka-Bombetoka, androany 27 septambra 2025. Karazam-borona maro, anisan’izany ny flamant rose na samaka, ary ala honko midadasika, no anisan’ireo harena voajanahary azo tsidihina ao amin’ity faritra arovana ity.

"Circuit Flamant Rose"

Niainga teo amin’ny Quai Barriquand, fantatry ny maro amin’ny hoe : "Port Katsepy", ireo mpitsidika notarihin’ny minisitry ny Fizahantany, Rafaralahy Lucie Vololoniaina, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta tonga nanatrika ny fankalazana. "Vedette rapide" no niondranana, nihazo ny Baie de Bombetoka, izay misy ny faritra arovana Belemboka-Bombetoka. Nanodidina ny 45 minitra ny dia an-dranomasina, ka nahafahana nijery karazam-borona manodidina ny folo tao anatin’ilay antsoina hoe « Circuit Flamant Rose ». Anisan’ny tena mahasarika ny mpitsidika, ao anatin’ity lalam-pitsidihana ity, ny flamant rose, na samaka na vano mavokely, izay vorona mpifindra monina.

Tsy izy irery anefa no mampiavaka an’i Belemboka-Bombetoka. Hita ao ihany koa ny ibis sacré de Madagascar, fantatra amin’ny anarana hoe voronosy, ary ny Anas bernieri, karazana ganagana dia, izay antsoina amin’ny anarana malagasy maro, toy ny hoe : mireha, sadakely, menamolotra, menasomy na fotsielatra.

Vorona tsy fahita firy

Araka ny fanazavan-dRanaivo Jules Mathieu, fantatra amin’ny anarana hoe : Coach Samaka, sojaben’ireo mpitaridia ao Mahajanga, dia maro amin’ireo karazam-borona hita ao Belemboka-Bombetoka no tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara, indrindra ao amin’ny faritra Boeny. Anisan’ireo vorona mpifindra monina tonga ao amin’ity faritra ity ny flamant rose. Tsy mavokely avy hatrany anefa ny lokon’ny volony. Manopy fotsy izy amin’ny voalohany, ary ny hazandrano ataony sakafo no mahatonga tsikelikely ilay lokon'ny volony ho lasa mavokely, izay mampiavaka azy.

Ny faran’ny volana jolay ka hatramin’ny volana novambra no vanim-potoana ahitana betsaka kokoa ny flamant rose ao Belemboka-Bombetoka. Misy amin’ireo samaka ireo ihany koa no tsy miala intsony ao amin’ny faritra, ka antsoin’ny tompon-tany hoe « samaka zana-tany ».

Miankina amin’ny haavon’ny rano ihany koa ny fahafahana mijery ireo vano mavokely. Ho an’ireo mpitsidika mikasa hijery flamant rose ary, tsara kokoa ny miainga maraina, mandritra ny haavon'ny rano antonony, mba hahatongavana any amin’ny toerana fijerena azy ireo rehefa mihena ny rano. Amin'izay fotoana izay izy ireo no midina ambany, mitady sakafo.

« Circuit Artisanat »

Manana velarana manodidina ny 71 800 hektara i Belemboka-Bombetoka, ka manodidina ny 24 800 hektara amin’izany no rakotry ny ala honko, hita amin'ireo nosy kely mandrafitra azy. Karazana hazo honko valo no hita ao, anisan’izany ny afiafy, izay voalazan'ny mpitaridia fa tsy fahita afa-tsy ao Boeny.

Kaominina telo, dia i Katsepy, Marovoay Banlieue ary Boanamary, no voakasiky ny faritra arovana. Misokatra ho an’ny mpitsidika ihany koa ny « Circuit Artisanat » miainga ao Boanamary, izay mampifandray ny fizahantany ara-boajanahary amin’ny kolontsaina sy ny asa tanana Sakalava. Anisan’izany ny fitsidihana ny « ancien port » tao Boanamary, ny trano fanenonana sy fanamboarana lamba landy ataon’ireo fikambanam-behivavy, ary ny ala honko voajarin’ireo mpikamban’ny VOI. Hita ao ihany koa ny tantaran’ny « cheminée » lehibe navelan’ny orinasa mpanamboatra simenitra tao Amboanio.

Harena voajanahary maro

Ankoatra ny vorona sy ny ala honko, ahitana sifaka, "piscine naturelle" ary "baobab géant", tahaka ilay ahafantarana ny tanànan'i Mahajanga ihany koa ao anatin'ny faritra arovana Belemboka-Bombetoka. Etsy an-daniny, tena misongadina sy mahavariana ny lokon’ny ranomasina, izay manopy mena, vokatry ny fotaka sy ny tany mena entin’ny reniranon’i Betsiboka mivarina mankao amin’ny ranomasina.

Ny DELC Madagascar no mitantana ny faritra arovana Belemboka-Bombetoka, izay iarahany miasa amin’ireo vondrom-piarahamonina eny ifotony.

Lire la suite

Articles Similaires