Makotrokotroka ny Makua Festival Music andiana faharoa na dia teo aza ny andro ratsy
Mitohy amin’ny hafaliana sy hafanam-po ny Makua Festival Music andiany faharoa aty Toamasina. Na dia teo aza ny fikorontanan’ny toetr’andro dia maro hatrany ireo olona tonga niaranifaly sy nitotorebika nandritra izay telo andro izay, nanomboka tamin’ny « Carnaval » fanokafana hatramin’ireo seho lehibe tanatin’ny roa alina nisesy.
« Carnaval » : niavaka tamin’ny fitafy sy ny famoronana
Niavaka tokoa ny famoronana sy ny hakanton’ny fitafian’ireo mpandray anjara tamin’ny « Carnaval » nandritra ity Makua Festival Music andiany faharoa ity. Nampitolagaga ny mpijery ny fitafy novolavolaina manokana, ireo kojakoja maro loko sy hafakely fanampiny ary ny haingon-tava sasany nalaina tahaka tamin’ny tontolon’ny « Halloween ». Teo ihany koa ireo fitafy nentim-paharazana izay nanome endrika ara-kolontsaina miavaka ny matso. Na dia teo aza ny orana dia tsy nahasakana ny « carnavaliers » nanoy ny matso sy niara-paly.
Mpanakanto malaza nifandimby teny an-tsehatra
Isan’ny tena mampiavaka ny Makua Festival Music andiany faharoa ity ihany koa ny sehatra lehibe natsangana amoron-dranomasina. Mpanakanto kalaza manana gadona sy fomba fihira samihafa no nifandimby nanafana ny hetsika.
Anisan’ireo nampientanentana ny mpijery i Rossy. Ity farany moa dia naneho ny fankasitrahana ny fikarakarana nataon’ny mpikarakarana tao amin’ny pejy Facebook-ny. Anisan’ireo mpanakanto hafa efa niakatra an-tsehatra ihany koa i Dadi Love, Joyce Mena Smaven, Elidiot, Big MJ, Tence Mena, Nate Tex, Sakate Boy sy ny artista malaza maro izay samy nandray anjara tamin’ny fampiakarana ny hafanan’ny lanonana.
Mampanantena seho makotrotrokotroka ny andro famaranana
Mifarana anio 01 Novambra ny andiany faharo amin’ny Makua Festival Makua. Mpanakanto maro manana ny maha izy azy no endrasana hanafana ny sehatra. Anisan’ireo hiaka-tsehatra anio Shyn sy Denise ary ireo artista malaza toa an’i Basta Lion, Ljo, Lion Hill, Jack Dad… Seho sy lanonana goavana sy mafana no endrasana amin’izao famaranana ny « FESTIVAL » lehibe manasongadina an’i Toamasina ity.





