• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Joël Benz
Image
Vaovao

Fitaterana entana: Mety hahatratra 200 000 ariary isaky ny taonina ny sazy amin’ny vesatra tafahoatra

03/11/2026 07:37 © Moov.Mg

Mihamafy ny fepetra mifehy ny fitaterana entana an-dalambe eto Madagasikara. Voafaritra ao anatin’ny didim-pitondrana iraisan’ny ministeran’ny Asa Vaventy sy ny Fitaterana ary ny Famantarana ny Toetr’andro, laharana 35.354/2025, nosoniavina ny 15 desambra 2025, ny sazy mihatra amin’ireo fiara mitondra entana mihoatra ny lanja ara-dalàna. Mety hahatratra 200 000 ariary isaky ny taonina mihoatra ny fetra izany, ankoatra ireo fepetra ara-pitantanana hafa azo raisina.

Miankina amin’ny lanja mihoatra ny fetra ny sazy

Mizara roa ny fandikan-dalàna voafaritra ao anatin’io didim-pitondrana io. Raha mihoatra ny lanja manontolo nahazoana alalana ny fiara iray, 100 000 ariary isaky ny taonina fanampiny no lamandy mihatra. Hentitra kokoa kosa ny sazy raha ny vesatra zakain’ny kodiarana na ny essieu tsirairay no mihoatra ny fetra, satria 200 000 ariary isaky ny taonina mihoatra no tsy maintsy aloa.

Tsy voafetra amin’ny fandoavana lamandy anefa ny sazy. Azon’ireo tomponandraikitra manao fisavana atao ny mampijanona ny fiara, mitondra azy any amin’ny toerana fanagejana, na mampidina ireo entana mihoatra ny lanja azo ekena. Anisan’ny fepetra hafa koa ny fampiatoana ny fahazoan-dalana mitondra fiara sy ny fitazonana vonjimaika ny taratasin’ny fiara.

Mifototra amin’ny voka-pandanjana eny amin’ny tobim-pandanjana ny fanamarinana ny fandikan-dalàna. Ampiharina amin’izany ny taha 0,98 hoenti-mamaritra ny lanja raisina ara-pitantanana, araka ny voalazan’ny didim-pitondrana. Any amin’ny tobim-pandanjana, amin’ny alalan’ny fandoavam-bola elektronika, na amin’ny alalan’ny “Fonds Routier”, no andoavana ny lamandy.

Mihabetsaka ny sazy raha miverina ny fandikan-dalàna

Tsy afa-maina amin’ny sazy fanampiny ireo mpitatitra mamerina ny fandikan-dalàna. Raha mbola voamarina indray ny fampakarana entana tafahoatra amin’ilay fiara, ao anatin’io taona io ihany, dia avo roa heny ny lamandy. Mety hampiharina koa ny fampiatoana ny fivezivezen’ny fiara.

Manan-danja eo amin’ny fiarovana ny fotodrafitrasa sy ny mpampiasa lalana ity fepetra ity. Anisan’ny mahatonga ny fahasimban’ny lalana haingana mantsy ny vesatra mihoatra ny tokony ho zakany. Mety hampitombo ny loza eny an-dalana ihany koa izany, indrindra rehefa tsy voalanjalanja ny fitsinjarana ny entana.

Takiana amin’ireo mpitatitra, araka izany, ny fandanjana sy ny fanamarinana ny entana alohan’ny fiaingana. Tsy ampy ny fanajana ny lanja manontolo, fa tsy maintsy arahi-maso ihany koa ny vesatra zakain’ny essieu tsirairay. Na dia tsy mihoatra ny lanja ankapobeny aza ny fiara iray, dia mbola mety ho tratran’ny sazy raha misy kodiarana na “essieu” mitondra vesatra tafahoatra.

Lire la suite

Articles Similaires