« Méléna » : inona no dikan'ny fivalanana mainty ary rahoviana no tokony hanahy?
Ny « méléna » dia soritr’aretina miseho amin’ny fivalanana (kakà) miloko mainty, mamirapiratra, miraikidraikitra sy tena mamofona. Matetika izy io dia manondro fa misy rà mikorina ao amin’ny faritra ambonin’ny taovam-pandevonan-kanina, toy ny lalankanina, ny vavona na ny tsinay madinika. Tsy aretina ny « méléna » fa famantarana mety manondro olana mila fitsaboana haingana.
Inona marina ny atao hoe « méléna »?
Ny « méléna » dia manambara ny fisian’ny rà mivoaka ao anatin’ny lalankanina ambony ka lasa mifangaro amin’ny sakafo mandritra ny fandevonan-kanina. Rehefa levonin’ny ranon-tsakafo ao amin’ny vavony sy ny tsinay ilay rà dia miova loko ka mahatonga ny fivalanana ho mainty toy ny godorao.
Misy ihany anefa toe-javatra sasany mety hahatonga ny fivalanana ho mainty nefa tsy « méléna ». Anisan’ny antony hafa mety mahatonga izany ohatra ny fihinanana fanafody misy « fer », ny fihinanana « charbon activé » na sakafo sasany miloko matroka. Noho izany dia ilaina foana ny manao fitiliana ara-pitsaboana mba hahafantarana ny tena antony.
Inona avy ireo antony mahatonga ny « méléna »?
Maro ireo antony mety mahatonga ny « méléna », ka anisan’izany ny :
-Fery ao amin'ny vavony na tsinay (ulcère). Izy io no isan’ny antony mahazatra indrindra. Rehefa lalina ilay fery dia mety handratra lalandrà ka hiteraka fandehanana rà ao anaty lalankanina. Mety hampitombo ny « risques » moa ny fiparitahan'ny bakteria « Helicobacter pylori », ny fampiasana maharitra fanafody « anti-inflammatoire », fifohana sigara ary areti-mitaiza sasany.
-« Varices œsophagiennes ». Ho an'ny olona voan'ny aretin'aty toy ny « cirrhose », dia mety hivelatra be ny lalandrà ao amin'ny lalankanina. Raha vaky ireo lalandrà ireo dia mety hiteraka rà mandriaka be ary mety hahafaty mihintsy.
-Homamiadana amin'ny lalankanina. Ny homamiadan'ny « œsophage », ny vavony na ny tsinay madinika ambony dia mety hiteraka fandehanan-drà ao amin’ny lalankanina. Indraindray moa dia ny « méléna » no soritr’aretina voalohany manondro izany.
-Faharovitana ao amin’ny « muqueuse digestive ». Indraindray, rehefa mandoa mafy na imbetsaka ny olona dia mety hisy triatra kely eo amin'ny fihaonan'ny lalankanina sy ny vavony. Mety hampivoaka rà io triatra io ka hitarika « méléna ».
Inona avy ireo soritr'aretina mety hiaraka aminy?
Ankoatra ny fivalanana mainty, dia mety hisy:
-Havizanana tsy mahazatra ;
-Fanina ;
-Hatsatra ny hoditra ;
-Fahasemporana rehefa mihetsika ;
-Fitempon'ny fo haingana.
Raha be ny rà very dia mety hitarika:
-Fihenan'ny tosidrà ;
-Faharerahana mafy ;
-Tsy fahatsiarovan-tena na torana.
Misy amin’ny marary sasany ihany koa no mety handoa rà miaraka amin'izany.
Rahoviana no mila manatona mpitsabo haingana?
Tsy tokony hangatak’andro hanatona mpitsabo raha miloko mainty toy ny godorao ny fivalanana. Mila manatona tobim-pahasalamana na hopitaly haingana indrindra raha miaraka amin'ireto soritr'aretina ireto izany:
-Fanina be ;
-Reraka be tampoka ;
-Mitempo mafy ny fo ;
-Sempotra ;
-Mandoa rà ;
-Tsy mahatsiaro tena na torana.





