• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Mm Avocat
Image
Tantara

Moov Confidences : Narian'ny fianakaviana fa tsy nanaiky "vady atolotra"

16/10/2023 15:41 © Moov.Mg

Toa hafahafa ny maheno izany hoe "vady atolotra" : efa lany andro ! Mety misy mbola mandala ihany izany, saingy mety any anativolo any angamba ... Mbola maro ihany nefa, amiko manokana, ny ray aman-dreny mitazona ny fanoloram-bady ny zanany eto an-drenivohitra, na mivantana na ankolaka. 10 taona teo ho eo izay no tsy nifaneraserako tamin'ny fianakaviako intsony noho ny tsy nanekeko nanambady lehilahy natolotry ny raiko.

Fanambadiana, lalana tsy maintsy izorana ve ?

Toa lalam-piainana tsy maintsy izorana ny fanambadiana. Raha vehivavy no tsy mbola manana fofom-bady nefa efa mananontanona ny faha-telopolo taona dia efa voatondro molotra etsy sy eroa. Azo lazaina fa toa "terena" ny tsirairay hanambady rehefa ampy taona, indrindra moa rehefa miditra amin'ny sehatry ny asa. Mahazo vava ratsy izay efa miha-lehibe nefa variana amin'ny fianarana na amin'ny asa.
Tsy lavina tokoa fa dingana iray iantohana ny fitohizan'ny taranaka ny fanambadiana. Tsy azo terena nefa izany na inona na inona antony satria tompon-tsafidy amin'ny hoaviny ny tsirairay. Raha te hanambady ny olona iray, izy ihany no tokony misafidy izay hiara-dalana aminy. Ny mampalahelo nefa, mbola misy tokoa ireo ray aman-dreny no manery mivantana na ankolaka ny zanany hiroso amin'ny fanambadiana, sy/na hanambady olona tsy tian'ilay zanaka akory. Mbola tsy lefy mantsy ny fiheverana fa fombafomba ny fanambadiana ka azo amboarina, raha tokony ho fitiavana no manosika ny olon-droa hifanaiky ny hiara-dalana. Samy manana ny heviny moa, arakaraka ny fitaizana sy ny fiaraha-monina.

Fanambadiana an-tery, tombontsoa ho an'iza ?

Izaho no vavimatoa amin'ny zanak'i dada sy neny. Somary nanana olana tamin'ny fiterahana i neny ka misy elanelana 10 taona amiko ny zandriko manaraka ahy. Olona manana andraikitra ambony ny ray aman-dreniko, na any am-piasana, na eo amin'ny fiaraha-monina na any am-piangonana. Sarotiny ery izy ireo amin'ny endrika ivelany aseho vahoaka : fitafiana, fomba firesaka, fiara, sns. Tsy kasihan-dalitra izahay mianakavy kely na ao an-trano na any ivelany. Bedy izahay rehefa miara-milalao amin'ny ankizy eo an-tanàna satria malotoloto izy ireo. Izaho manokana nefa dia tsy mifidy namana mihitsy, sady aleoko aza manantona ireo ankizy tsotsotra rehefa any am-pianarana na any am-piangonana. Na dia nanana ny ampy aza izahay, tsy mba niaingitraingitra sy nanavakavaka aho. Matetika mahasosotra an'i dada ny toetrako.
18 taona aho no afaka bakalorea ka nianatra teny Ankatso. Handray roapolo taona aho no nihaona tamin'ny tovolahy iray izay nambabo ny foko. Mbola samy mpianatra izahay nefa noho izy nipetra-drery teto Antananarivo dia tsy maintsy sady niasa. Tsotra dia tsotra ilay tovolahy, nefa be herim-po ka mendrika ho raim-pianakaviana. Tsikaritr'i dada sy neny ny fahataran'ny fodiako sy ny fivoahako ny trano rehefa faran'ny herinandro. Nanomboka teo no nandraisan'izy ireo fepetra ny hanaraha-maso ahy manokana. Nafarany foana tao an-trano ihany koa ireo mpivady namany, izay nanan-janaka lahitokana mitovitovy taona amiko. Indray andro, tazan'i dada izaho sy ny olon-tiako. Nofetahiny aho vao tafiditra ny trano : manetry voninahitra hono ka fakona bandy tambanivohitra no mba miara-dalana. Nitomany aho satria tsy nahazo nanazava na kely akory aza. Nanafatrafatra ahy i dada fa tsy mila mahita ahy miaraka amin'ilay tovolahy intsony. Nampiany fandrahonana moa izany, dia ny hanapotehany tanteraka ilay olon-tiako raha tsy laitra tenenina aho. Nikorontana tanteraka ny fianarako. Voatery nisaraka moa izahay satria nanahirana loatra na ny fotoana hiresahana aza.
Indray andro, navoaka avokoa ny entana tao an-trano. Olona marobe no nifarimbona nandoko ny rindrina sy nanamboatra ny zaridaina. Tonga teo an-tokontany ihany koa ny fanaka vaovao maromaro. Tao anatin'ny herinandro ny fanavaozana ny trano, na ny anatiny na ny ivelany, na ny zaridaina. Rehefa lasa avokoa ireo mpiasa rehetra dia nampiantso ahy i dada sy neny, andro alarobia io. Toy ny niatrika raharaham-pitsarana aho. Taitra tampoka aho raha nilazan'i dada fa hanambady aho ary handraisana ny lanonan'ny vodiondriko no antony nanamboarana ny tanànanay manontolo. Ilay zanak'ilay namany, tovolahy efa mpivezivezy tao aminay, no hoe ho vadiko.

Tsy fanekena ny tenin-dray aman-dreny, ditra ve ?

Nipatrapatraka ny ranomasoko satria tsy zatra namaly an'i dada mihitsy aho. Tonga saina tampoka nefa aho hoe ny hoaviko manontolo no resaka ka nofafako ny ranomasoko, ary nojereko tamin'ny masony tsara i dada. Izao ary no valin-teniko : tsy hanambady azy aho. Noheverin'i dada fa nananihany aho ka notohizany ny doka mikasika ilay tiany ho vinantony. Tsy mila miasa intsony hono aho sady ho mpanjakavavy amina villa lehibe tsy misy mpanana. Notanisainy ihany koa ny olo-manan-kaja efa noeritreretiny hanatrika ilay fanambadiana sy ny sakafo mafilotra mandritra ny fety. Mbola nanohy ny toriteniny izy no nitsangana tampoka aho sady niteny mahery : "Tsy hanambady aho ho'aho ! Averiko, tsy hanambady".
Tezitra mafy i dada ka nisafoaka. Zanaka saro-tiavina sy leo fiadanana hono aho, ary fantany tsara fa mbola mifandray amin'ilay tovolahy mavomavo iny. Efa tolorana vady avo razana sady mpanakarena no tsara tarehy faka taranaka hono mbola lasa saina amin'izay olona tsy manana afa-tsy tranon-kisoa. Nofaranany tamin'ny hoe : "Ho avy eo ny akanjonao nafarana avy any an-dafy. Ho avy eo ny rafozanao sy ny vadinao hangataka anao amin'ny alahady". Tsy nohenoiny akory ny fandavako fa ny programany maty paika no tao an-dohany. Niezaka niresaka tamin'i neny aho saingy tsy nahita rariny. Zarako aza hono "assuré ny avenir", sady tsy aleo ve hono olona azo antoka no maka vady. Kivy tanteraka aho. Ranomaso lava no niainako nandritra ny andro vitsivitsy. Nandohalika teo anatrehan'i dada aho, niezaka niresaka namboraka ny tato am-poko. Tsy nohenoiny nefa izany fa ny fikarakarana ny raharahanay no nimasoany. Marihako fa tsy nifanerasera tamiko mihitsy ilay tovolahy haka vady ahy na tamin'ny finday, na tamin'ny tambazotran-tserasera. Raha ny fahalalako azy dia ireo samy ray aman-dreny no nifanaraka, fa izahay ankizy dia noterena fotsiny.
Tsy navela nivoaka tao an-trano mihitsy aho. Ny sabotsy mialoha ny "raharahako" nefa, mody notambazako i dada mba hamela ahy hividy zavatra eny an-tsena. Mody nolazaiko fa hividy "accessoires" vitsivitsy aho mba hampivoaka ny hatsarako. Faly ery izy satria noheveriny fa nanaiky ny fanereny ahy hanambady aho. Ny tanjoko nefa dia ny hihaona amin'ilay ho vadiko. Hitako mantsy ny tranony, ary fantatro tsara fa miaraka milalao "golf" ireo ray aman-dreninay isaky ny sabotsy. Tafaresaka tamiko tokoa ilay tovolahy, ka nifamboraka teo izahay fa tsy te hifanambady. Nikaro-bahaolana izahay satria samy tsy misy te ho voafatotra. Teo no tapaka ny hevitra fa samy hitsoaka izahay, ary tsy hanao izany raha tsy efa tafavory ny fianakaviana roa tonta. Tsy maintsy miomana tanteraka izany izahay mba tsy haha-kaodikaody ireo ray aman-dreninay.

Tanora misafidy ny lalany manokana, tsy maintsy very ve ?

Nampiasaiko nividianana akanjo sy kojakoja ilaina amin'ny fandosirana ny vola nomen'i dada hiantsenako. Napetrako tany amin'ny namako ireo entana ireo. Ny alahady, rehefa tafiditra ny akanjo ary vita ny fiomanana rehetra, samy variana tao amin'ny "salon" avokoa ny olon-drehetra. Teo indrindra no nanararaotako nitsoahana. Efa niandry ahy tao amina restaurant iray ny namako, niaraka tamin'ny entana, ka afaka nisolo akanjo aho. Nizotra teny amin'ny "stationnement" aho avy eo ka nandray fiara nivoaka an'Antananarivo. Tsy voakitika mihitsy ny vatsim-pianarako nandritra ny telo taona, sady nanana tahiry aho, ka tsy dia nisy nahiana ny fivelomako. Raha ny tantara henoko taty aoriana, efa tonga tao aminay mihitsy ilay hoe ho vadiko no nanjavona tampoka.
Novonoiko ny findaiko. Efa ny ampitso, efa tonga tany Toamasina, vao novelomiko indray. Ompa variraraka sy ozona no navelan'i dada tao amin'ny "boîte vocale" : tsy zanany intsony hono aho ary fafany ao amin'ny bokim-pianakaviana mihitsy ny anarako. Sady mpanala baraka hono aho no mpanimba afera. Tsy taitra intsony aho. I neny no niangavy an-dranomaso ny hiverenako, saingy nandà aho. Namafisiko tsara tamin'izy ireo ihany koa fa tsy misy fantatro izay mikasika ilay tovolahy saika hangataka ahy. Raha ny henoko dia nivoaka an'i Madagasikara mihitsy izy tamin'iny andro iny. Ny antso farany voaraiko ? I dada nitrerona ahy mafy. Nilaza tamiko izy fa tsy hikaroka ahy akory satria zaza maditra sy tsy mankato ray aman-dreny aho. Notapahiko ny antso satria efa fantatro fa teny marary sy tsy voahevitra ny hivoaka ny vavany. Niova laharana aho. Naleoko nifantoka tamin'ny adim-piainako satria tsy misy dada sy neny sy mpanampy mikarakara ahy intsony.

Fanambadiana tsy voa-tso-drano, mora rava ve ?

Toerana somary mihataka ny renivohitr'i Toamasina no nipetrahako mba tsy hahitan'ireo ray aman-dreniko ahy. Nahita asa tamina orinasa lehibe aho ka nilamina tsara ny fiainako : tena tsy nitady ahy tokoa na ny ray aman-dreniko na ireo iray tampo amiko na ireo fianakaviako. Telo taona taty aoriana dia nahita asa taty ivelan'i Madagasikara aho. Teratany frantsay ny vadiko, ary efa ho dimy taona izao ny fanambadianay, ary roa ny zanakay. Tsy nanafina na inona na inona tamin'ny vadiko aho mba tsy hisian'ny olana. Mpiara-mianatra tamiko fahiny sy mpiara-miasa mantsy no mba "invités" avy aty amiko, fa ny ankoatr'izay dia havan'ny vadiko avokoa.
Vao herinandro izay, nihaona taty France izaho sy ilay tovolahy saika hanambady ahy. Efa samy manambady aman-janaka izahay. Nifampisaotra teo izahay satria samy nahita fahasambarana na lavitra havana aza. Nambarany tamiko fa efa niravina ny olany tamin'ireo ray aman-dreniny. Ny ahy kosa nefa tena tsy nilamina intsony. Nandefa taratasy tamin'i dada sy neny foana aho, indray mandeha isam-bolana, saingy mbola tsy nahazo valiny mihitsy. Mandefa ny sarinay mivady sy ireo zanako ihany koa, nefa tena tsy ahoan'izy ireo. Ilay hany mba tena namako any Madagasikara no mampita vaovao amiko : tsy miova mihitsy hono i dada sy neny fa manainga soroka lava eny. Toa tsy very zanaka tokoa izy mivady satria mbola manana azy mianadahy. Tiako harovana amin'ny fanjakazakan'ireo ray aman-dreniko ireo zandriko nefa tsy hitako izay atao. Enga anie izy ireo mba hahajoro amin'ny heviny, fa tsy hanaiky am-bokona izay tenenin'i dada sy neny foana, na tsy rariny aza.
Azoko lazaina fa milamina ny tokantranoko na tsy nahazo tso-drano aza. Amiko dia ny fitiavan'olon-droa no tena zava-dehibe, na dia eo aza ny sedram-piainana isan-karazany. Raha sanatria misy ny tsy mety, tsy ny ozon'i dada no anton'izany, satria amin'ny fiainana dia tsy maintsy misy ny fifaliana sy ny fahoriana. Tokony hiverina any Madagasikara ve aho hifona amin'ireo ray aman-dreniko ? Asa lahy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo