• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Medisite
Image
Sexualité & Mariage

Mpivady be elanelan-taona : torohevitra ampaharitra ny fanambadiana

18/03/2024 15:15 © Moov.Mg

Maro ny mpivady be elanelan-taona eny amin’ny fiarahamonina eny ary tsy dia mahataitra izany. Rehefa misy 20 taona na mihoatra kosa nefa izany elanelan-taona izany dia miova ny fijerin’ny fiarahamonina izany. Miseho avokoa ny fitsarana ivelany sy ny fanenjehana isan-karazany ankoatra ireo olana mety miseho anaty tokantrano. Ahoana ary fomba atao ampaharitra ny fanambadiana eo amin’ny mpivady be elanelan-taona ?

Miaraka miatrika sy manohitra ny fitsaran’ny hafa

Anisan’ny sedra iainan’ny mpivady be elanelan-taona ny fijery sy ny fitsaran’ny hafa na ny fiarahamonina. Maro moa ireo tsy nahazaka ny fanenjehan’ny manodidina azy ireny ka niafara tamin’ny fisarahana mihintsy izany, eny na mbola teo aza ny fitiavana.
Tsy mora ny miatrika ny vavan’olona sy ny fanaratsiana isan-karazany. Mba hanoherana azy ireny dia mila miray saina sy miray hina ny mpivady. Rehefa mifanohana sy mifampiaro dia tsy lasa tsy andairan’ny teny mandratra sy eso. Atao ao an-tsaina hatrany hoe ny fitiavana no nampitambatra ka tsy tokony ho ravan’ny olona ivelan’ny tokantrano izany.

Mila manaiky ireo fahasamihafana noho ny elanelan-taona

Rehefa betsaka be ny elanelan-taona eo amin’ny mpivady dia mila manaiky ireo fahasamihafana vokatr’izany ny andaniny sy ny ankilany. Izany dia mba tsy hiandrasana na hitakiana ny iray hitovy fijery, fisainana na toe-batana amin’ny tena. Raha tsy miaiky izany fahasamihafana izany ny mpivady dia mety hitarika fahadisoam-panantenana, fifanenjehana ary disadisa anatiny tokantrano izany.
Tsy mitovy ohatra ny hery, ny fahasalamana sy ny fahavitrihana eo amin’ny faha 30 taona sy ny faha 50 taona. Anisan’ny afaka ahitana taratra izany ny lafiny ara-pananahana. Raha ny vehivavy no efa nahazo taona dia mety midina ny filàna ara-nofo. Raha ny lehilahy kosa no efa be taona dia mety hisy ny olana amin’ny fihenjanan’ny filahiana. Mba hampaharitra ny fanambadiana dia mahay mipetraka amin’ny toeran’iray ary mahay mandefitra.

Miaraka mibanjina ny ho avy

Matetika ny mpivady rehefa be dia be ny elanelan-taona dia lasa toa matahotra hibanjina ny ho avy sy hijery lavitra. Marina fa ilaina tokoa ny miaina sy mankafy ny ankehitriny. Mafy orina kokoa nefa ny fanambadiana rehefa miaraka manomana sy mitsinjo ny ho avy.
Tsy azo atao mibahana ao an-tsaina ny fitaintaina na ny tahotra vokatry ny elanelan-taona. Tsy voatery ny vady efa nahazo taona tokoa mantsy ny ho lasa mialoha fa mety ny ankilany. Mba hampisy fiadanana sy fifaliana hatrany eo amin’ny fanambadiana dia mila manana toe-tsaina miabo sy vonona hiaraka hiatrika ny ho avy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo