• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Voyage À Madagascar
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fandrahoana henakisoa sy anamadinika matsiro

16/04/2024 08:58 © Moov.Mg

Isan’ny nahandro mampalaza ny sakafo malagasy ny henakisoa sy anamadinika. Matsiro tokoa izy io rehefa malemy tsara ny hena, ritra tsara ary ampy menaka tsara. Ho an’ireo mbola tsy mahay mahandro henankisoa sy anamadinika ary dia ireto misy fomba roa azo hikarakarana izany.

Ny fomba voalohany hikarakarana henakisoa sy anamadinika

Mampangotraka rano anaty vilany somary lehibebe antonona ny anamadinika manta. Rehefa mangotraka tsara dia arotsaka ao ny anamadinika na anatsinahy efa avy nosasana. Avela hiketrika ao mandritra ny minitra maromaro. Rehefa mifitsaka ny anana ary mivalomainty ny rano dia bataina ny vilany, tatavanina ny anana ary ariana ny rano.
Manarak’izay dia endasina amin’ny vilany hampiasaina handrahoina ilay laoka amin’izay ny henankisoa efa avy nosasana, notetehina sy nasiana sira. Rehefa mendy dia arotsaka ny tongolo voatetika sy ny tongolo gasy voakiky. Arotsaka tsikelikely ihany koa ilay anamadinika efa voatsiaka tsara. Ampiana sira kely ary afangaro tsara mba hiparitaka ny tsiro sy ny hanitra. Tsy tapohana rano fa asiana menaka kely raha ilaina.

Ny fomba faharoa handrahoana ny henakisoa sy anantsinahy

Sasana madio ary tetehina araka izay habeny hitiavana azy ny henankisoa. Avy eo arotsaka anaty vilany miaraka amin’ny rano mandifotra azy ary avela hiketrika eo. Rehefa ritra sy mendy dia arotsaka ny voatabia sy tongolo voatetika ary ny tongolo gasy voakiky.
Etsy andaniny tangosana ary sasana tsara ny anamadinika. Andrahoina amin’ny vilany hafa ka rehefa mangotraka elalela dia tsihifina ary ariana ny rano nampangotrahana azy. Aorian’izay dia arotsaka ao anatin’ny vilany misy ny henakisoa ny anana. Tapohana rano kely ary miara tenehina eo mandrapalemin’ny hena sy ny anamadinika. Masaka tsara ny anana rehefa miova lasa maintimainty sy ritra tsara. Tsy adinoina ny manampoka menaka tsikelikely araka izay hitiavana azy.

Fanamarihana : Mba tsy andaniana menaka be rehefa mahandro henankisoa sy anamadinika dia henakisoa matavy no safidiana. Sady mitera-menaka ity farany no mampatsiro ny nahandro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo