• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Mr Désiré
Image
Vaovao

Fifidianana Solombavambahoaka : Tontosa androany ny fisarihana ny laharana ao anaty biletà tokana

17/04/2024 10:09 © Moov.Mg

Androany, nanomboka tamin’ny 8 ora maraina, no nanatontosana ny antsapaka izay mamaritra ny filaharan'ireo kandida hofidiana ho Solombavambahoaka ao anatin’ny biletà tokana, ho an’ny fifidianana izay hatao ny 29 mey izao.

Santionan’ny antsapaka

Efa maro no nahatontosa ity antsapaka ity, tany amin’ny Distrika na Kaominina maha-kandida azy, hatramin’ny fotoana nanoratana. Isan’izany, ohatra, ny tany Sainte Marie, izay ny kandida Imbiki Herilaza, natolotry ny antoko IRD, no mitondra ny laharana voalohany ary ny kandida Ravonty Théo Luc Urbain, izay efa Solombavambahoaka teo aloha ary milatsaka amin'ny anaran’ny tenany manokana, no mitondra ny laharana faharoa. Any amin’ny Distrikan'Ambatondrazaka dia miisa 4 ireo kandida hifaninana amin'ny fifidianana Solombavambahoaka. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ny antsapaka ny kandida tsy miankina tarihin’i Andriambelo Nirina Nancy Sandra ; laharana faharoa ny kandida an'ny Firaisankina tarihin-dRazara Pierre Ravolaza Fidèle ; laharana fahatelo ny kandida tsy miankina tarihin'Andrianandraina Heriniaina Joachin ; ary laharana fahaefatra ny kandida IRMAR tarihin'Andrianasolo Andrianiaina Jean Patrick.

Harafitra miaraka amin’ny CENI

Santionan’ireo efa nahatontosa ny antsapaka ireo, fa maro ny fisarihana efa vita, misy koa no mbola eo am-panatanterahana azy, eny anivon’ny rafitra mpanamarina sy mpiandraikitra ny firotsahan-ko fidiana (OVEC) eny amin'ny Distrika. Ny filaharana voasarika androany moa dia mamaritra ny filaharan’ny kandida ao anatin’ny taratasin-datsa-bato tokana no sady laharana amin'ny fidirana ao amin'ny haino amanjerim-pirenena ihany koa. Aorian'izao antsapaka izao dia hiarahan'ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena Misahana ny fifidianana (CENI) mandrafitra amin'ny kandidà ny taratasin-datsa-bato tokana. Mandritra izany no hanomezan'ireo kandida ny sary famantarana raikitra azy, na ny antokony, mba hahafahana mametraka izany ao anatin'ny taratasin-datsa-bato.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo