• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fifaninanana sekoly madio : 10 tapitrisa ariary no homen’ny CUA ny laharana voalohany

17/04/2024 18:22 © Moov.Mg

Manohy mitsidika ireo sekoly ato anatin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) ny Filohan’ny Delegasiôna manokan’ny tanànan’Antananarivo, manatanteraka fanentanana momba ny fahadiovana. Misy ihany koa ny fifaninanana sekoly madio, hatao mandritra ity telovolana fahatelon’ny taom-pianarana ity.

Fanentanana

Ny sekoly ambaratonga fototra, ambaratonga faharoa ary lisea Nanisana indray no notsidihin’ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny Tanànan’Antananarivo (PDS), Richard Ramanambintana, sy ireo mpiara-miasa aminy, androany. Tahaka ny efa nataony tany amin’ireo sekoly hafa dia niompana tamin’ny fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ny hetsika natao, izay niresahana misimisy kokoa ny momba ny fanadiovana ny tanàna. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ny ora fanariana fako eny amin’ireo dabam-pako lehibe iombonana sy ireo karazana fako azo ariana eny amin’ireny toerana fanatobiana fako ireny.

Fanadiovana ny tanàna

Nandritra ity fitsidihana androany ity ihany koa no nampahafantaran’ny PDS fa hahazo lelavola 10 tapitrisa ariary, izay sekoly mitana ny laharana voalohany amin'ny fahadiovana. Afaka mandray anjara amin'io fifaninana io avokoa ireo sekolim-panjakana rehetra eto an-drenivohitra, ka ato anatin'ny telovolana fahatelo amin'ity taom-pianarana 2023-2024 ity no hanatanterahana izany. Tanjon’ny fifaninanana ny hamporisihina ny eny anivon'ny sekoly, mba hiara-mientana amin'ny ezaka fanadiovana eto amin'ny tanànan'Antananarivo, araka ny fanazavana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo