• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Toerana miavaka sy zava-naorina : nomena lanja manokana ny Rovan’Antongona

19/04/2024 15:13 © Moov.Mg

Nomarihina tamin’ny fomba ofisialy androany, teny amin’ny Rovan’Antongona, ny andro iraisam-pirenena ho an'ny toerana miavaka sy ny zava-naorina (Journée internationale des monuments et des sites), ho antsika eto Madagasikara.

Tandindomin-doza

Ny 18 aprily no natokan'ny Firenena Mikambana momba ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina (UNESCO) hankalazana azy ity andro iraisam-pirenena ity, nanomboka tamin'ny taona 1972. Lohahevitry ny fanamarihana amin’ity taona 2024 ity ny hoe : « toerana miavaka sy zava-naorina vonona hiatrika ny loza manambana ». Isan’ny tandindomin-doza noho ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary mantsy ny harem-bakoka, ka tena zava-dehibe ny fananana paikady hiarovana azy. Toerana mitahiry ny vakoka sy ny kolontsaina rahateo izy ireny, ka tena sarobidy. Iankinan’ny toe-karena ihany koa, satria misarika mpizahatany, ka mampidi-bola. Nosafidiana manokana hanatanterahana ny fankalazana ofisialy androany ny Rovan'Antongona, any amin’ny kaominina Morarano, Distrikan’Arivonimamo, Faritra Itasy, noho ny maha toerana manan-tantara mendrika ny homena lanja azy.

Fanoitran’ny fampandrosoana

Vohitra miorina eo an-tampon’ny vatolampy lehibe, izay manana haavo 1 406 metatra, ny Rovan’Antongona. Any amin’ny 35 km andrefan’Antananarivo ary 7km avaratr’Imeritsiatosika no misy azy. Ny anarana hoe : Antongona dia azo avy amin’ny fisian’ireo vato lehibe mifanongona eo amin’ny faritra iorenany. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, dia nambaran-dRakotondrasoava Fetra, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina, fa miroso hatrany amin’ny dingana ambony kokoa isika eto Madagasikara amin’ny fanomezan-danja ireo harem-bakoka sy lovan-tsaina, mba ho fanoitran’ny fampandrosoana. Rehefa voakolokolo, hoy izy, ny toerana miavaka sy ny zava-naorina, dia rehareha ho an’ny tanàna iorenany, hatramin’ny firenena manontolo. Fanamby lehibe, araka izany, ny fikajiana ireo harem-bakoka, satria maro no lasibatry ny loza voajanahary. Ho an’ny Rovan’Antongona manokana dia tetikasan’ny Fitondram-panjakana ny famerenana amin’ny laoniny azy ho lasa mozea, mba hisarihana ny mpizahatany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo