• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fampiakarana ny voka-bary : Kojakojaina ireo lakandrano manondraka ny tanimbary rehetra

22/04/2024 13:16 © Moov.Mg

Manatanteraka herinandron’ny fiaraha-mientana amin’ny fikojakojana ny lakandrano sy ny fambolem-bary ny Faritra 23 eto Madagasikara. Anisan’ny efa nahavita ny anjarany ny eto amin’ny Faritra Analamanga.

Teny Laniera

Manana tanjona ny hampitomboana ny voka-bary, amin’ity taom-pamokarana taona 2024 – 2025 ity, ny hetsika herinandron’ny fiaraha-mientana amin’ny fikojakojana ny lakandrano sy ny fambolem-bary, ny vary aloha ary ny voly avotra. Ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana no tomponandraikitra voalohany amin’izany. Ho an’Antananarivo dia teny Ankehiheny Laniera no nanatanterahana ny fanadiovana, notarihin’ny talem-paritry Fambolena sy ny Fiompiana Analamanga, Rasoarimbola Henintsoa. Araka ny fanazavan’ity farany dia nisy ny fampianarana sy ny fanentanana ireo tantsaha mba hahay hikojakoja ny lakandrano. Misy karazany roa io lakan-drano ho an’ny tanimbary io : misy ny mpampidi-drano ary misy ny famoahan-drano na fanariana rano. Rehefa voakojakoja ny lakan-drano mpampidi-drano dia mitombo ny velaran-tany voatondraka, mitombo manaraka izany ny voka-bary. Etsy an-daniny, ilaina ihany koa ny mikojakoja ny lakandrano famoahan-drano, mba tsy hihisatra ny fivoahan’ny rano ka tsy ho tondraka ny tanimbary.

Voly varin-dRajao

Ny « Canal de drainages 2 » na « CD2 » eny Ankehiheny Laniera moa no nodiovina nandritra ity hetsika ity. Nisy ihany koa ny fanentanana sy famporisihana nataon’ny tetikasa PAPRIZ, mba hampiasan’ireo tantsaha ny teknika « Voly varin-dRajao ». Marihina fa velaran-tany mirefy 1 640 Ha no tondrahan’ity tambajotrana lakan-drano nodiovina ity, ary kaominina maro no misitraka izany, dia ny Kaominina Ambohimanga Rova, Sabotsy Namehana, Anosy Avaratra, Ankadikely ary Antehiroka sy ny manodidina. Nandritra ity hetsika ity, ankoatra izay, no nanolorana sarklezy miisa 14 ho an’ny Federasionin’ny mpamboly vary teo an-toerana. Isan’ny efa nahavita ny anjarany ihany koa ny tany Menabe, ka tany amin’ny lemak’i Vondrove no nanatanterahana ny hetsika. Manana velaran-tany 1800 ha izany toerana izany, ka ny 910 ha no efa misy fotodrafitrasa fifehezan-drano ary ny 890 ha ambiny kosa dia hisitraka fanajariana tsy ho ela.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo