• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Meah
Image
Vaovao

Rano fisotro madio : Mponina miisa 61 300 no hisitraka ny tetikasan’ny ministeran’ny Rano

25/04/2024 10:37 © Moov.Mg

Misedra olana amin’ny famatsian-drano ny eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina tao anatin’ny herinandro maromaro izay. Nandray fanapahan-kevitra ho fanarenana ny olana ny filàn-kevitry ny Governemanta notanterahina omaly 24 aprily 2024.

Asa efa azo atomboka

Nasaina manokana nanatrika ity Filàn-kevitry ny Minisitra ity ny Teknisianina eo anivon’ny Banky Iraisam-pirenena, izay mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara eo amin’ny tetikasa mikasika ny rano. Nanazava ny momba ireo fanadihadiana ireo efa notanterahina mikasika ny rano, na ambonin’ny tany na ambanin’ny tany (eaux de surface et eaux souterainnes) izy ireo. Hita tamin’izany fa misy ny asa efa azo atomboka dieny izao, tahaka ny fanamboarana ireo « surpresseurs » mba hahafahana manana famatsian-drano vonjimaika (pompes de secours). Isan’ny efa asa azo atao ihany koa ny fampitomboana ny fahafahana manangon-drano eny Faralaza sy Vontovorona. Ankoatra izay, ireo fantsona fanaparitahana ny rano dia mila fanamboarana sy fanaraha-maso akaiky avokoa. Ary farany, misy “station de captage” vaovao izay tsy maintsy haorina ao anatin’ny tetikasa PAEP, izay tetikasa ho fanatsarana ny famatsian-drano fisotro madio ho an’ny mponina eto amin’ny tanànan’Antananarivo, ary iarahan’ny Fanjakana malagasy miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena.

Politikan’ny rano

Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny famatsian-drano eto Antananarivo, dia hisy ny asa fampidirana rano maika ao amin’ny kaominina ambanivohitra Alasora, Distrikan'Antananarivo Avaradrano. Tsy maharaka intsony ny filàn'ny mponina ny famatsian-drano ao amin'ity kaominina ity, araka ny fantatra, noho ny fahanteran'ny fantson-dranon'ny JIRAMA sy ny fahaverezan'ny rano. Tetikasa hotanterahin’ny ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ihany koa ny famatsiana rano ho an’ny mponina miisa hatramin’ny 61 300 ary hanondraka tanimbary 320 Ha. Miankina tanteraka amin’ny famokarana eo Mandroseza moa ankehitriny ny famatsian-drano ho an’Antananarivo Renivohitra. Mba ho famahana ny olana dia tsy maintsy hampiana izany satria tena tsy maharaka ny filàn’ny mponina. Etsy an-daniny, ny orinasa JIRAMA dia mbola ahitana fahasimbana matetika, ka mila mametraka mazava tsara ny politikan’ny rano manerana an’i Madagasikara ny ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.

Mbola hitohy ny fifanakalozana eo amin’ny minisitera sy ny teknisianina isan-tsokajiny ary hisy fivoriana manokana mikasika ny rano amin’ny herinandro ho avy io, araka ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra, mba ahafahana mandray izay fanapahan-kevitra ho fanatsarana ny famatsian-drano eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo