• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Mari-pana eto Madagasikara : Mifanaraka amin’ny vanim-potoanan’ny fararano

26/04/2024 14:46 © Moov.Mg

Malomaloka ny andro amin’ny ankapobeny, indrindra aty amin’ny faritra afovoan-tany. Efa tsapa mihamidina ihany koa ny mari-pana. Ara-dalàna izany, raha amin’izao vanim-potoana izao, araka ny nambaran’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny andro.

Rivo-doza Hidaya

Mifanaraka tsara amin’ny mari-pana amin’ny volon’andro fararano toy izao ny mari-pana eto Madagasikara ankehitriny, izany hoe : mangatsiaka ny vao maraina fa miakatra kosa izany amin’ny antoandro ary miverina mangatsiaka kosa ny alina, raha ny fanazavana azo avy eo anivon’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny andro eto Madagasikara. Ankoatra izay dia misy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto amintsika ny fisian’ilay tangoron-drahona ao avaratry ny Lakandranon’i Mozambika, izay mikisaka miadana mianatsimo tao anatin’ny 24 ora. Androany tamin’ny 12 ora atoandro teo dia tany amin’ny manodidina ny 640 km any avaratra andrefan’Antsiranana no nisy ny foiben’izy io. Andrasana ny hivadihany ho rivo-doza ato anatin’ny 24 ora na 48 ora manaraka. Raha toa ka mitranga izay vinavina izay dia hitondra ny anarana hoe Hidaya izy.

Hahazo vahana ny varatraza

Raha ny Antontan-kevitra rehetra eo am-pela-tanan’ny mpamantatra ny toetry ny andro hatreto moa dia tsy ahiana hahakasika an’i Madagasikara ity andro izay ratsy tombanana hiforona ao anatin’ny roa andro ity. Manamafy ny varatraza kosa anefa ny fisiany, ka vinavinaina ho betsaka hatrany ny rotsak’orana any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana sy avaratra atsinanan’ny Nosy. Ho an’ny eto afovoan-tany, araka izany, dia mety hahazo vahana ny varatraza anio sy rahampitso, fa tombanana hihamalefaka miandalana izany, saingy hiverina hahazo vahana indray amin’ny faran’ny herinandro. Mety hisy ihany koa ny orana tandrifin-drahona miserana, amin’ny takariva sy ny alina, indrindra amin’ny toerana avo sy akaiky tendrombohitra. Any amin’ny morontsiraka andrefana sy ny tapany atsimon’i Madagasikara kosa dia ho maina tanteraka ny andro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo