• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Jica
Image
Vaovao

Fanjariantsakafo : Maherin’ny 5 alina ireo olona nisitraka ny tetikasa PASAN/SAHAZA

30/04/2024 15:52 © Moov.Mg

Nifarana tamin’ny volana martsa teo ny tetikasa PASAN/SAHAZA, izay niompana tamin’ny fampanjarian-tsakafo ny reny sy ny zaza. Nisy ny fitsidihana ireo mpisitraka ny tetikasa, tany amin’ny Faritra Vakinankaratra, nanaovana tombana ny zava-bita.

Fampanjariana sakafo

Ny tetikasa PASAN/SAHAZA (projet d’amélioration de la Sécurité Alimentaire et de la Nutrition) na Sehatr’Asa Hanatsarana ny Antoka ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafon’ny Zaza Amam-behivavy, dia tetikasan’ny Governemanta Malagasy, amin'ny alàlan'ny Ofisim-pirenena momba ny Fanjariantsakafo (ONN), ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Ministeran'ny rano, Fanadiovana sy Fahadiovana, iarahany manatanteraka amin’ny Governemanta Japoney, amin'ny alalan'ny JICA (Agence Japonaise de Coopération Internationale). Ampiasaina amin’ny fanatanterahana azy ny paikady mifototra amin’ny fiantomorana marolafy, miompana amin’ny fampanjariana sakafo, ny fambolena, ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ary ny rano, fahadiovana sy fidiovana. Faritra telo eto afovoan-tany no voakasika, dia ny Faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Itasy, izay samy ahitana tahana tsifanjariantsakafo mitarazoka ambony. 5 taona ny faharetan’ity tetikasa ity, nanomboka ny taona 2019 ary nifarana tamin’ity taona 2024 ity.

Fomba fanao tsara alain-tahaka

Nisy ny fitsidihana natao tany amin’ny Faritra Vakinankaratra, tany amin’ny Fokontany Antsampandrano, kaominina Ambohimandroso Distrikan’Antanifotsy. Narahina fifanakalozana izany, ka nahafahana nanombana ny zava-bita sy ny akon’ny tetikasa tamin’ireo mpisitraka azy. Ny traikefa azo teny ifotony tany Vakinankaratra dia ho entina ifampizaràna amin’ireo mpahazo tombontsoa any amin’ireo Faritra roa hafa. Manodidina ny 5 alina ny isan’ireo olona efa nisitraka ny tetikasa PASAN/SAHAZA tany amin’ireo Faritra 3 voakasika. Araka ny antontan’isa nivoaka, nandritra ny atrikasa nasionaly nentina nizarana ny fomba fanao tsara alain-tahaka, ao anatin’ny fanatanterahana ny PNAMN na Paikady Nationaly Marolafy momba ny Fanjarian-tsakafo, dia nitombo ny salan’ isa ahafahan’ny zaza latsaky ny 5 taona misakafo ara-pahasalamana, roa taona monja taorian'ny nisian’ny tetikasa, ka 55% hatramin’ny 89% izany. Nahafahana nampihena ny trangan'aretim-pivalanana amin'ireo zaza latsaky ny 5 taona ihany koa ny PASAN/SAHAZA.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo