• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Commune Urbaine Toamasina
Image
Vaovao

Vaovao tapatapany - 1 may 2024

01/05/2024 07:47 © Moov

Atolotra anao ireo vaovao tapatapany tsara ho fantatra. Mirary fetin'ny asa mahafinaritra ho an'ny rehetra.

Antananarivo # Madio ny rivotra

Nihatsara amin’ny ankapobeny ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Ambany na manodidina ny fetran’ny OMS avokoa ny refy rehetra voaray. Raha ny mandrafitra ny toetry ny andro ao anatin’ny telo andro no jerena, izany hoe manomboka androany 1 may, vinavinaina hijanona ho ambany amin’ny ankapobeny ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Hahazo aina kokoa ireo olona manana olana amin'ny taovam-pisefoana, indrindra ireo zaza semposempotra lava.

CUA # Mitohy ny fitakiana haban-tsena

Miverina tanteraka amin'ny Kaominina ny fitakiana ny haban-tsena eto Antananarivo Renivohitra. Nahazo rariny teo anivon'ny Filankevi-panjakana ny Kaominina. Izany dia tao aorian'ny fampiakarana natao momba ny didim-pitsarana nivoaka ny volana aprily lasa teo. Amin'ny alalan'ny Ticket izany no handoavan'ireo mpivarotra ny haban-tsena isan'andro, ary miditra ao anaty kitapom-bolan'ny Kaominina ny vola rehetra azo.

Toamasina # Fanadiovana ny Canal des Pangalanes

Efa 10 andro izay no iatrehan'i Toamasina ny Canal des Pangalanes. Ny ao amin'ny tanàna aloha no nanombohana izany, izay mirefy 6 km, manomboka eo amin'ny Port Fluvial hatrany amin'ny vinany Hôpital be. Efa miroso tsikelikely ety amin'ny Pont verrerie ny milina mpanala fotaka. Etsy andaniny, mbola mitohy ny fanalana ireo fakofako rehetra mety ho sakantsakana amin'ny alalan'ny asa tagnamaro atalako vary. Azo lazaina fa mbola mafy ny asa miandry.

Kanto Malagasy # Fandevenana an'i Lalie

Androany 1 may no hanatanterahana ny fandevenana ny kintan'ny Kanto Malagasy, Lalie Andriamazava. Hiala eny an-tokantranony eny Ambohimiandra ny nofo mangatsiakany amin'ny 11 ora atoandro. Hisy ny fanompoam-pivavahana fisaorana an'Andriamanitra sy fampaherezana ny fianakaviana eny amin'ny EKAR Masindahy Etienne Ambanidia. Eny Anjanahary kosa no ho tanterahina ny fanitrihana ny nofo mangatsiakany. Mirary fiononana feno ho an'ny vady aman-janany, ny ray aman-dreniny, ny fianakaviany ary ny fianakaviamben'ny Kanto Malagasy.

Nairobi # Voatendry ho Masoivoho ny filoham-pirenena Malagasy

Voasafidy ho « Champion » na Masoivoho handrafitra ny komity hisolo tena ny firenena maro manoloana ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena ny Filoha Andry Rajoelina. Io komity io dia ho tarihin'ny Vondrona Afrikanina ary ahitana an'i Ghana, Nigeria, Madagasikara, Sierra Leone ary Malawi. Ireo firenena ireo no hanao ny adisisika sy hanamafy ny antso eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena manoloana ireo mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny Banky Iraisam-pirenena ny tokony hampitomboin'izy ireo ny famatsiana hoentina manampy ireo Firenena Afrikanina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo