• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Pinterest
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « tarte à la crème »

02/05/2024 11:43 © Moov.Mg

Nahandro iray azo atao tsindrin-tsakafo ary afaka atao « goûter » ihany koa ny « tarte ». Misy karazany maro moa ny fomba sy ny tsiro azo hikarakarana azy. Ka ny atoro eto anio ary dia ny fomba fanamboarana « tarte à la crème ».

Ireo zavatra ilaina raha anao « tarte à la crème »

Ireo akora amin’ny fanaovana ny « crème »

-Ronono velona 1 litatra ;
-Atody 4 ;
-Siramamy 100g ;
-« Maïzena » 80g ;
-Lavanila vovony 1 sotro fihinanana.

Ireo akora amin’ny fanamboarana ny paty

-« Pâte feuilletée » efa vita 2 ;
-« Amande » notetehana fisaka 2 sotro fihinanana ;
-Siramamy vovony madinika (sucre glace) 1 sotro fihinanana.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny « tarte à la crème »

Afangaro anaty lovia jobo ny ronono 1 vera sy ny « maïzena » ary aroharoana tsara hifangaro.
Ampangotrahana mitokana anaty vilany ny ronono ambiny.
Kapohana anaty lovia jobo ny atody miaraka amin’ny siramamy sy ny lavanila. Tapohana ny ronono nafangaro tamin’ilay « maïzena ». Tohizana kapohana mandrapifangaro tsara azy rehetra.
Arotsaka manarak’izay ny ronono mafana. Ataingina ambony afo malefaka sady aroharoana moramora ireo fangaro. Rehefa mihamatevina dia esorina ambony afo. Avela hangatsiaka ary saromana « film alimentaire ».
Afanaina amin’ny hafanana 220°C ny lafaoro.
Asiana « papier cuisson » anatin’ny « moule » ary velarina eo amboniny « pâte feuilletée » voalohany efa nofisahana boribory. Tsindrotsindromina sotrorovitra ny paty mba tsy hibontsina.
Araraka eo amboniny ny « crème » nokarakaraina teo. Aforitra ny sisin’ny paty.
Saromana ilay « pâte feuilletée » faharoa efa nofisahana boribory ilay « tarte ». Esorina ny paty mihoatra.
Kapohana ny atody ary ahosotra eo amin’ny tampon’ilay « tarte ». Araraka eo amboniny ny « amandes » sy ny siramamy vovony madinika.
Andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 220°C mandritra ny 35 minitra. Ahena atao 180°C ilay hafanana rehefa avy natsofoka mandritra ny 10 minitra ny « tarte ».
Avela mangatsiaka vao esorina avy ao anatin’ny « moule ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo