• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Fourchette Et Bikini
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanamboarana « yaourt à boire » vita ao an-trano

05/05/2024 14:53 © Moov.Mg

Fanalana hetaheta ankafizin’ny rehetra ny « yaourt à boire », indrindra rehefa mafana be iny ny andro. Efa maro ankehitriny ireo mpivarotra sy mpanamboatra azy ireny eto amintsika. Hafa ihany nefa ny manamboatra ao an-trano satria matsiro sy ara-pahasalamana kokoa. Atoro eto ary ny fanamboarana « yaourt à boire » vita ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « yaourt à boire »

-Ronono velona 1l ;
-« Yaourt » 3 ;
-« Sirop de fruits » namboarina tao an-trano.

Ireo dingana amin’ny fanaovana « yaourt à boire »

Atomboka amin’ny fanamboarana ny « sirop de fruits ». Alaina ny ranom-boankazo tsy mitapoka 15cl ary tapohana siramamy 250g. Aroharoana ho levona tsara ny siramamy. Avy eo ataingina eo ambony afo malefaka. Haroharoina tsy mijanona ary rehefa mangotraka 5mn dia esorina ambony afo. Tatavanina amin’ny « passoire » madinika mba hiala ny faikany. Azo tehirizina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny roa andro ity « sirop de fruits » ity.
Ampangotrahana ny ronono ary avela hangatsiaka. Azo soloina vovon-dronono ny ronono velona raha tsy misy. Vovon-dronono 3 sotro fihinanana no afangaro amin’ny rano 250ml ary andrahoina ho masaka.
Arotsaka anatin’ny ronono efa mangatsiaka ny « yaourt » sy ny « sirop de fruits » izay mahamamy azy. Kapohana amin’ny « fouet » mba hifangaro tsara. Tsinjaraina anaty tavoahangy tsikelikely dia saromana. Avela hipetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 2 ora dia vita.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo