• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Biby naondrana an-tsokosoko tany Thaïlande : Nivoaka tany amin’ny fari-dranomasina tsy misy mpiambina

06/05/2024 04:41 © Moov.Mg

Efa misokatra ny fanadihadiana momba ireo biby arovana naondrana an-tsokosoko ary tratra tany Thaïlande. Miara-miasa akaiky amin’izany ny Fanjakana malagasy sy ny ao Thaïlande, araka ny resaka nifanaovan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, niaraka tamin’ny Fadintseranana Malagasy, tamin’ny mpanao gazety, ny sabotsy lasa teo.

Tranga 148

Raha ny fanadihadiana hatreto, dia ambony dia ambony ny taha ahafahana milaza fa tsy nivoaka ny seranam-piaramanidina na ny seranan-tsambo ireo biby arovana tratra tany Thaïlande ireo, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny Fadintseranana, Lainkana Zafivanona Ernest, fa tany amin’ny « zone non occupée », na fari-dranomasina tsy misy mpiambina. Noho ny torapasika midadasik’i Madagasikara, izay mirefy 5.000km, hoy hatrany izy, dia mbola lesoka ny fanaraha-maso ny sisin-tany. Araka izany, misy foana ihany ireo harena voajanahary arovana mety ho tafavoaka. Araka ny tatitry ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Max Andonirina Fontaine, dia niisa 148 ireo tranga mahakasika ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary tratra teto Madagasikara, ho an’ity taona 2024 ity. Tao anatin’izany ny nahatrarana fitrandrahana an-tsokosoko sokatra miisa 317 ary gidro miisa 6. Olona miisa 207 no nosamborina ary natolotra ny Fitsarana. Efa naharava tambazotra iray mpitrandraka tsy ara-dalàna ny « Pachypodium », na vontaka, ihany koa, tamin’ny volana martsa lasa teo.

Tambazotra lehibe

Ho an’ity indray mitoraka ity dia sokatra miisa 1076 sy gidro miisa 48 no sarona, tany Thaïlande. Raha ny vokatry ny fanadihadiana dia tsy naondrana mivantana niala teto Madagasikara nankany Thaïlande ireo biby ireo, fa nandalo an’i Indonezia aloha, hoy ny fanazavan’ny Talen’ny Fadin-tseranana malagasy. Tsy fantatra mazava hatreto ny fotoana nahatongavany tany amin’io firenena io fa mbola ao anatin'ny fanadihadiana ny any Thaïlande, hahafantarana ny fomba nahatongavan'ireo biby ireo tany an-toerana. Tera-tany vahiny miisa 6 kosa no efa voatazona, izay mpikambana ao anaty tambazotra lehibe mpanondrana biby an-tsokosoko raha ny isan’ireo biby tratra ireo. Ny voalohan’ny volana may 2024 moa no nanao fanambarana mifandraika amin’izany fahatrarana fanondranana an-tsokosoko biby avy aty Madagasikara izany ny mpitandro ny filaminana ao Thaïlande. Tambazotra mpanondrana an-tsokosoko harena voajanahary aty Afrika no nahavanona izany, araka ny notsipihin’ny minisitry ny Tontolo Iainana.

Fanadihadiana lalina

Raha ny fampahatsiahivana nataon’ny minisitra Fontaine Max Andonirina dia harem-pirenena ireo biby ireo, ary reharehan’ny Malagasy ny fananana azy ireo satria tsy hita afa-tsy eto Madagasikara. Biby ahiana ho lany tamingana ny sokatra sy gidro ka raran'ny lalàna eto Madagasikara sy ny fifanarahana CITES ny fihazana, ny famarotana ary ny fanondranana azy ireo. Nanamafy ny Ministera fa tsy hilefitra amin'ireo tompon'antoka amin'izao tranga izao. Ny Transparency International-Initiative, ny Alliance Voahary Gasy, ny WWF ary ny Traffic moa dia nanao fanambarana iombonana mitaky ny hanokafana fanadihadiana lalina mikasika ity trafikana sokatra sy varika ity, ahafahana manasazy ireo olona tompon'andraikitra tamin'izany. Araka ny fantatra dia manaraka akaiky ny fizotran'ny fanadihadiana ary mifandray amin'ny tomponandraikitra any Thaïlande ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, mba hahafahana mahazo vaovao mahakasika ity fanondranana biby an-tsokosoko ity sy hahafahana misambotra sy manasazy ireo tompon'antoka niray tsikombakomba tamin'izy ireo, ary koa ny nanangonana sy nialan’ireo ireto biby ireo teto Madagasikara.

Hampodiana haingana

Nambaran’ny Tale jeneralin’ny Fadintseranana Malagasy fa olona miisa 4 no efa voatazona eny amin’ny fadin-tseranana, taorian’ny fanadihadiana efa niainga. Misy olon-kafa ihany koa, fantatra fa voarohirohy ao anatin’izao raharaha izao, ka efa karohina. Miandry ireo olona tadiavina ireo ny fampiakarana ny raharaha eny anivon’ny fitsarana (défèrement), hoy ny fanazavan’Atoa Zafivanona Ernest Lainkana, fa efa ananana ny porofo momba ireo olona ireo, toy ny sary sy ny fifandraisan’izy ireo amin’ireo olona ao anatin’ny tambazotra any Thaïlande. Ankoatra ny fanadihadiana dia mifandray amin’ny Governemanta Thailandais ihany koa ny Governemanta Malagasy amin’ny fampodiana aty an-tanindrazana, ao anatin’ny fotoana fohy, ireo biby ireo, iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, araka ny nambaran’ny minisitry Max Andonirina Fontaine. Efa manaiky ny hamerenana azy ireo ny Fanjakana Thaïlandais, hoy izy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo