• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Fiovan’ny toetry ny andro : 0,9% monja no teti-bolan’i Madagasikara ho an’ny rano, fanadiovana sy fidiovana

06/05/2024 16:04 © Moov.Mg

Firenena isan’ny manana taham-pisitrahana rano fisotro madio ambany indrindra i Madagasikara. Raha ny fanadihadiana tamin’ny taona 2008, dia 41% izany taha izany, raha toa ka 58%, amin’ny ankapobeny, ny taham-pisitrahana rano madio aty Afrika atsimon'i Sahara. Vao mainka manamafy io olan’ny rano io ny fiovaovan’ny toetry ny andro.

Miantraika amin’ny toekarena

Ambany ihany koa ny taham-pisitrahana fotodrafitrasa fidiovana fototra eto amintsika. Mitaha any amin’ny 51% izany. Miantraika mivantana amin’ny fampandrosoana ny firenena anefa ny olan’ny rano, izay vao mainka mihamafy, vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro. Araka ny fantatra tokoa mantsy dia antom-pahafatesana faharoa eto amintsika ny aretina ateraky ny rano, fanadiovana sy ny fidiovana tsy ara-dalàna. Isan’izany ny aretim-pivalanana. Raha ny antontan’isa dia zaza latsaky ny 5 taona 14 000 isan-taona no mamoy ny ainy eto Madagasikara, vokatry ny tsy fisitrahana rano fisotro madio sy fahadiovana, izany hoe : zaza 1 amin’ny 5. Ankoatra izay dia miantraika amin’ny toekarem-pirenena ireo fotoana lany tsy andehanan’ny ankizy mianatra, noho ny aretina vokatry ny loton’ny rano, sy ny fotoana tsy ahafahan’ny olon-dehibe miasa sy mamokatra. Ambonin’izany, ny tsy fahampian-drano dia mampihena ny vokatra ara-pambolena, manembatsembana ny famokarana herinaratra, tsy mampihodina araka ny tokony ho izy ny indostria…

Famolavolana drafitrasa

Noho ireo olan’ny rano marobe mbola atrehina eto Madagasikara ireo dia mamolavola drafitra ho enti-miasa, ao anatin’ny 5 taona, ny vovonan’ireo mpisehatra eo amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro mifandraika amin’ny rano, fanadiovana sy fidiovana eto Madagasikara, na ny « Coalition pour le changement climatique dans le domaine eau, assainissement et hygiène ». Manatanteraka atrikasa mandritra ny 3 andro izy ireo, nanomboka androany ary haharitra 3 andro. Araka ny fanazavan-dRazaivao Vololoniainna Diamondra, Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny rano, fanadiovana ary fidiovana, dia ireo asa tena azo tanterahina fa tsy vinavinaina fotsiny no dinihina mandritra ireo hateloana hanatanterahana ny tetikasa. Misy no hatao ao anatin’ny fohy ezaka, ny antonony ary ny lavitr’ezaka, mba hampihenana ny sedra sy ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Isan’ireo asa maika hotanterahina ny fandrindrana ny asa eo amin’ireo mpisehatra. Eo ihany koa ireo asa fiatrehana avy hatrany ny zava-misy, ankoatra ny fiarovana sy ny fisorohana efa apetraka. Tsy adino ny fanamafisana ny fanabeazana ho amin’ny fahazarana tsara sy ny fiovam-pihetsika.

Vovonana iraisana

Araka ny fantatra moa dia ambany dia ambany ny teti-bola atokan’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro mifandraika amin’ny rano, fanadiovana sy fidiovana. Raha 10% mantsy no atokan’izao tontolo izao ho an’izany sehatra izany, dia 0,9% kosa izany, ho antsika eto Madagasikara. Sambany ihany koa no nisian’ny vovonana iraisana momba ny rano, fanadiovana sy fidiovana toy izao teto Madagasikara, izay niorina tamin’ny volana febroary tamin’ity taona ity. Isan’ny mikambana ao anatin’izao vovonana izao ny ministera isan-tsokajiny, ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina, ny ivon-toeram-pikarohana, ny vondrona tanora, sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany. Isan’ny manohana ity atrikasa ity kosa ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny ankizy (UNICEF).

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo