• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Vola Malagasy
Image
Vaovao

Tantaran’ny vola malagasy sy famelabelaran-kevitra : Ho fampahafantarana ny asa ataon’ny Banky Foibe

07/05/2024 16:06 © Moov.Mg

Ao anatin’ny hetsika famaranana ny faha-50 taonan’ny Banky Foiben’i Madagasikara dia nisokatra ny 7 may ny fampirantiana ny tantaran’ny vola malagasy, eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo.

Misokatra kokoa

Misokatra malalaka ho an’ny rehetra ity hetsika fampahafantarana ny vola malagasy ity, izay arahina famelabelaran-kevitra miisa roa isan’andro. Nahatsapa ny Banky Foibe, hoy Andrianarivelo Aivo, Handriatiana goverinoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, fa tokony hisokatra kokoa amin’ny olona rehetra ny asa ataon’izy ireo. Izany no antony nikarakarana izao fampirantiana izao. Izany koa no mahatonga ny Banky Foibe manatanteraka famelabelaran-kevitra isan-karazany, ao anatin’izao hetsika izao. Isan’ny lohahevitra hovelabelarina ny momba ny fitantanana ny fifamezivezen’ny vola malagasy. Eo ihany koa ny lohahevitra ahafahana miresaka mivantana momba ny tsena ara-bola sy ny varotra amin’ny tahirim-bola ivelany, izay hatao amin’io herinandro ho avy io, hiarahana amin’ny profesora Patrick Guillaumont, tale mpanorina ny Centre d'Études et de Recherches sur le Développement International (CERDI). Hanazava ireo mety ho tombontsoa azon’ny firenena amin’ny varotra amin’ny tahirim-bola ivelany izy, ary koa ny vokatr’izany amin’ny fitantanana ara-bola sy ara-toekarena amin’ny ankapobeny.

Taha miAntoka ny Herin'ny Ariary

Haharitra roa herinandro ity hetsika ity, izay tafiditra ao anatin’ny fihavaozana sy fanamafisana orina ny Banky Foibe. Ankoatra ny fampirantiana sy ny famelabelaran-kevitra tanterahina ao amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely, dia hisy ihany koa ny hetsika hotontosaina eny Ankatso, ny 13 mey ary ao amin’ny efitrano malalaky ny kianja Barea Mahamasina, manomboka ny 14 mey. Ankoatra izay, misy ny fampahafantarana ny atao hoe : TAHA na Taha miAntoka ny Herin'ny Ariary (taux de référence sur le marché monétaire malagasy), izay mivoaka isan’andro ao amin’ny tranonkalan’ny Banky Foiben’i Madagasikara manomboka androany.

Izany no natao dia mba ho fanombanana ny tsena sy ny ho avin’ny vola malagasy.


Copyright Image : © Vola Malagasy

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo