• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Madagaslam
Image
Vaovao

Amboara eran-tanin’ny Slam : Tafiakatra amin’ny dingan’ny manasa-dalana i Santa

08/05/2024 14:49 © Moov

Mirehareha indray ny Malagasy. Tafiakatra amin’ny dingana manasa-dalana amin’ny amboara eran-tany amin’ny fifaninanana Slam-poezia izay tanterahina any Paris amin’izao fotoana izao i Santatra Andriamanantsoa na i Santa, raha ny fahalalan’ny maro azy.

Laharana fahatelo

Miisa roa ambiny folo (12) ireo « slameurs » iray vondrona amin’ny tenany izay niaka-tsehatra omaly. Teo amin’ny laharana fahatelo (3) izy tao anatin’izany niaraka tamin’ny 81,5 izay nahatafita azy tamin’ity dingana manaraka ity. Manan-talenta ny tanora malagasy, izay no azo hamehezana azy ary mirehareha amin’izany ireo « slameurs » malagasy aty an-toerana, indrindra ireo delegasiona any an-toerana sy ny fikambanana Madagaslam. Teo alohan’i Marnie avy ao Frantsa izay nahazo ny isa 80,4 sy taorian’i Tatishka nahazo ny isa 81,8 izy tamin’io lalao voalohany io. Araka izany dia hiverina hiaka-tsehatra indray izy rahampitso, alakamisy 9 mai.

Tsara fiomanana

Ny volana okotobra 2023 no efa fantatra fa handray anjara amin’ny amboara eran-tanin’ny Slam izay mandeha any Paris amin’izao fotoana izao io i Santa. Mbola tsy fantatra akory anefa izany dia efa voasoratra avokoa ireo poezia noeritreretiny ho entina amin’ity amboara eran-tany ity. Nanatsara izany sisa no nataony rehefa voamarina fa hiatrika izany lalao izany ny tenany. Tanteraka ny nofiny ka efa tsara fiomanana ity lalao izay atrehiny any Paris ity. Matoky tena izy any an-toerana, ary efa miandry fotsiny ny toerana hisy azy sy ny vondrona hitoerany amin’ny lalao manaraka.

Misolo-tena an’ny Madagasikara

I Santatra Andriamanantsoa araka izany no misolo tena ny Malagasy rehetra any amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena lehibe ity. Efa manan-kireharehana noho izany ireo « slameurs » malagasy satria manana mana-talenta. Mpandresy tamin’ny « slam national » andiany faha-14 izay notanterahina teto Antananarivo tamin’ny taona 2023 ny tenany ka tamin’izany no nahazoany ny fahazoan-dalana hanatrika ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Hitondra avo ny anaran’ny firenena sy ny maha-izy azy ny « slam-poésie » malagasy izany fananana ity tovolahy ity izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo