• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikorontanana amin’ny fomba fisakafo : fantaro ny « anorexie »

06/06/2024 09:52 © Moov.Mg

Misy karazany maro ny fikorontanana amin’ny fomba fisakafo na « trouble du comportement alimentaire ». Isan’ireo mahavoa olona maro ny « anorexie mentale ». Mety misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina izy io raha tsy voaray an-tanana mialoha. Fa ahoana tokoa moa ny fisehon’ny « anorexie » ? Inona no mahatonga azy ary ahoana ny fitsaboana atao ?

Inona no atao hoe « anorexie mentale » ?

Fikorontanana amin’ny fomba fisakafo miseho matetika amin’ny tsy fahazotoana misakafo sy ny fihenan-danja diso tafahoatra ny « anorexie mentale ». Ny olona tratry ity aretina ity, na ny « anorexique », dia afa-po amin’ny vatany, mahatsiaro tena ho ngeza loatra ka mikendry fatratra ny fomba rehetra hampahia azy. Mba ahatongavany amin’izany moa dia ferana be ny sakafo hoaniny na mifady sakafo mihintsy ary ka lasa mihena be diso tafahoatra ny vatany.
Satria moa vokatry ny fikorontanana ara-tsaina ny « anorexie mentale » dia misy fotoana ihany koa mety hiletra sakafo be ilay « anorexique » fa avy eo sokiriny ny tendany mba handoa ireo sakafo rehetra nohaniny. Mazava ho azy fa mitarika fiantraikany ratsy eo amin’ny vatany sy ny fahasalamany izany. Raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna ilay marary dia mety ho lasa tsy tia sakafo intsony mihintsy.
Maro ireo soritr’aretina hafa mety mitranga eo amin’ny olona manao « anorexie mentale ». Anisan’izany ny hoe :
-Rera-dava sy lasa kely aina ;
-Fanina sy safotra matetika ;
-Maina ny hoditra ary tapatapaka ny volo ;
-Tsy mandeha intsony ny fadim-bolana ;
-Rarin-tsaina sy tebiteby ;
-Mitokatokana.

Ireo antony mety mahatonga ny « anorexie mentale »

Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny antony manokana mahatonga ny « anorexie mentale ». Araka ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana dia mety ho fitambaran’ny anton-javatra maro, toy ny tarazo, tsy fahatomombanana ara-tsaina, ny tontolo manodidina…
Arak’izany dia misy karazan’olona mety ho tratry ny « anorexie » kokoa, toy ny :
-Ankizivavy adolantsento noho izy ireo mora andairan’ny fanakianan’ny hafa ;
-Ireo olona izay misy tratry ny fikorontanana amin’ny fomba fisakafo ny fianakaviana akaiky ;
-Ireo olona « perfectionnistes » ;
-Ireo olona tsy manana fahatokisan-tena.

Ireo mety ho fiantraikan’ny « anorexie mentale »

Mety mitarika fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina ny « anorexie mentale » :
-Fahataran’ny fitomboana eo amin’ny adolantsento tratr’izany ;
-Aretim-po na tosi-drà ambany ;
-Fahalemen’ny taolana ka mety ho mora tapaka raha sendra voadona na mianjera ;
-Fahamombana ;
-Fikorontanan’ny taova fandevonan-kanina ;
-Fikorontanana ara-tsaina toy ny rarin-tsaina izay mety mitarika amin’ny famonoan-tena.

Fitsaboana ny « anorexie mentale »

Azo tsaboana tsara ny « anorexie mentale ». Misy karazany maro moa ireo fandraisan-tanana atao amin’izany. Ny voalohany dia ny fanaovana « thérapie » miaraka amin’ny mpitsabo manokana ny saina na « psychologue ». Mila fanampiana amin’ny « nutritionniste » ihany koa mba hamaritana ny sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana manome hery sy hampitombo lanja indray. Mazava ho azy fa mila fanaraha-mason’ny mpitsabo ihany koa mba hitsaboana ireo aretina mety naterak’ilay tsy fahampiana sakafo.

Lire la suite

Articles Similaires