• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Naturalforme
Image
DYI

Moina na « henné » : fandokoana volo natoraly

06/06/2024 15:48 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo maniry ny handoko volo nefa tsy mahazaka ireo vokatra misy akora simika mahazatra fampiasa ireny. Ny moina na « henné » no vahaolana mandaitra sy tsy atahorana raha te handoko volo amin’ny akora natoraly. Ankoatra izay dia maro ireo vokatsoa azo avy amin’izy ireny.

Inona tokoa moa ny moina na « henné » ?

Ny moina na « henné » dia akora natoraly fampiasa hatry ny ela amin’ny fikarakarana ny hoditra sy ny volo. Ry zareo Indianina moa no tena nampiasa azy io. Vovon-javatra azo avy amin’ny fanamainana sy fitotoana ny ravin’ny zavamaniry atao hoe « Lawsonia Inermis » moa izy io. Ny « Lawsonia Inermis » moa dia zavamaniry mandaitra amin’ny fandokoana amin’ny fomba natoraly ho an’ny volo. Azo ampiasaina hikolokoloana ny fahasalaman’ny volo ihany koa moa ny vokatra azo avy amin’izy io, dia ny moina izany.

Ireo vokatsoa entin’ny moina eo amin’ny volo

Ankoatra ny fandokoana ny volo dia mitondra vokatsoa maro ho an’ny volo ihany koa ny moina. Manankarena singa iray antsoina hoe « tanins » moa izy io. Ny « tanins » dia « antioxydants » natoraly manamafy sy manome tanjaka ny volo. Miaro ireto farany amin’ny vokadratsin’ny loto sy ny hain’andro ny fampiasana moina. Manampy amin’ny fampihenana ny angandrano sy ny fampitoniana ny hidihidy amin’ny hodi-doha ihany koa izy io. Etsy an-daniny dia mampalefaka sy mampangirana ny volo ny fampiasana matetika ny « henné ».

Ny fomba atao raha handoko volo amin’ny moina

Amin’ny maha akora natoraly ny moina dia tsy mahery fiasa be toy ny loko simika izy io. Matetika dia tsy mora miraikitra amin’ny tahom-bolo ny lokony raha tsy averina matetika. Ireto kosa ary misy torohevitra fampiasana ny moina mba hampivoaka tsara ny loko.
Atomboka amin’ny fanaovana « clarification » ny volo. Izany hoe maka tanimanga fotsy ary tapohana rano kely mba ahazo paty toy ny « masque ». Hosorana amin’ny volo rehetra io paty io ary avela hilona 30 minitra. Avy eo sasana toy ny mahazatra ny volo.
Karakaraina ny moina mandrapahamaina ny volo. Atao anaty lovia jobo ny moina ary tapohana rano mafana. Aroharoana mandrapahazoana fangaro malama toy ny « crème ». Rehefa maina tsara ny volo dia hosorana ny « henné » nokarakaraina teo amin’izay.
Mba hampandray tsara ny loko dia tsy asiana « soin » mihintsy ny volo alohan’ny handoko azy. Izany hoe tsy asiana menaka na « sérum » rehefa izy avy natao « clarification » sy nosasana iny.
Raha hampiasa moina vao voalohany dia tsara raha andramana amin’ny faritra kely amin’ny volo izy io ary endrasana kely minitra vitsy sao sendra tsy mahazaka azy io. Rehefa voaloko daholo ny volo dia avela hilona eo ho eo amin’ny ora 1 hatramin’ny ora 2, arakaraka ny fivaokan’ilay loko tadiavina. Kobanina tsara amin’ny rano matimaty dia vita.

Lire la suite

Articles Similaires