• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Poulet Du Quebec.Jpg
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « poulet cordon-bleu »

07/06/2024 08:29 © Moov.Mg

Karazana nahandro isan’ny matsiro nefa mora karakaraina tokoa ny « poulet cordon-bleu ». Marihana moa fa fikarakarana nahandro manokana ny atao hoe « cordon-bleu » ary maro ny karazan-kena azo ampiasaina amin’izany. Ny nofon’akoho kosa no safidintsika eto amin’ity fikarakarana anio ity.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « poulet cordon-bleu »

-Nofon’akoho ;
-« Charcuterie » izay tiana fa ny « jambon » na ny « mortadelle » no tsara kokoa ;
-Fromazy ;
-Sira sy dipoavatra ;
-« Sauce soja » ;
-Tongolo gasy sy sakamalaho ;
-Menaka.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny « poulet cordon-bleu »

Sasana tsara ny nofon’akoho ary avela hitsiaka tsara anaty « passoire ». Fisahana ny nofon’akoho atao mahazo « morceaux » lehibe.
Atao anaty « saladier » ny nofon’akoho avy eo arotsaka ao ny « sauce soja », ny tongolo gasy sy sakamalaho voakiky ary ny sira sy dipoavatra. Avela hilona mandritra ny alina tontolo.
Ny ampitso dia tetehana fisaka ny « charcuteries » sy ny fromazy. Tsara kokoa raha ireny fromazy « feuilles » fanao amin’ny « sandwichs » ireny no ampiasaina. Raha tsy misy moa dia fisahana tsara ny fromazy izay tiana.
Velarina ny nofon’akoho ary atao mifanaingina eo amboniny eo ny « charcuterie » silany 1 sy ny ravina fromazy 1. Rehefa vita izay dia fonosina anatin’ilay nofon’akoho.
Mba tsy ampivaha ny fonosana dia fatorana amin’ny rofia na kofehy fampiasa an-dakozia. Afaka tsindromina amin’ny « cure-dents » ihany koa mba tsy hivaha.
Afanaina amin’ny afo malefaka anaty lapoaly ny menaka. Rehefa mafana dia arotsaka ny nofon’akoho nokarakaraina teo. Avadibadika matetika, tsy endrasana mendy be loatra fa rehefa hita fa masaka dia esorina.

Lire la suite

Articles Similaires