• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cerveau & Psycho
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahina ireo antony mahatonga ny volofotsy

10/06/2024 10:13 © Moov.Mg

Dingana iray ara-boajanahary miseho rehefa miha mahazo taona ny volo fotsy. Misy ihany koa nefa ireo anton-javatra maro maha-fotsy ny volo aloha ny fotoana. ‘Ndeha ary ho resahantsika eto ireo tsara fantatra mikasika ny volofotsy sy ireo antony mahatonga izany.

Ireo antony lehibe mahatonga ny volofotsy

Ny volofotsy dia isan’ireo fiovana ara-batana ara-boajanahary miseho rehefa mandroso ny taona. Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny faha 40 taona eo no manomboka mihafotsy tsikelikely ny volo. Arak’izany dia dingana iray tsy azo sakanana ny fahafotsian’ny volo rehefa miha mahazo taona ny olona. Misy ihany koa etsy andaniny ireo anton-javatra mahantonga ny volo fotsy mialoha ny fotoana ka anisan’izany ny :
-Fototarazo
Isan’ireo anton-javatra mampirongatra ny volo fotsy aloha be ny fototarazo. Izany hoe miankina betsaka amin’ny « gènes » no mahafotsy volo aloha na somary taraiky ilay olona. Raha taranak’olona fotsy volo aloha izany dia mety ho fotsy volo aloha be ihany koa.
-Tsy fahampiana « mélanine »
Ny « mélanine » dia singa iray miantoka ny fanomezana loko ny volo sy ny hoditra. Ny sakafo hoanina no mitondra azy io ao amin’ny vatana. Mety miteraka fihidinan’ny tahan’ny « mélanine » ny tsy fahampiana otrikaina sasany ao amin’ny vatana ka mahatonga ny volo ho fotsy aloha be. Mety miteraka izany ihany koa ny tsy fahampiana « fer », vitamina D, vitamina B9 sy « sélénium ».
-Fikorontanan’ny hormonina
Mety mandrisika ny fitsirian’ny volofotsy mialoha ny fotoana ihany koa ny fikorontanan’ny hormonina. Isan’ny antony voalohany mahatonga io fikorontanan’ny hormonina io moa ny rarintsaina ka lasa maniry aloha be ny volo fotsy na lasa mirongatra vetivety izany ho an’ireo izay efa misy.

Ireo fomba atao handokoana ny volofotsy

Ho an’ireo fotsy volo aloha be na ireo efa nahazo taona ka mirongatra be loatra ny volo fotsy dia misy ireo fomba samihafa azo handokoana izany sy hanakomana azy. Santionany amin’ireo azo atao ny mampiasa vokatra natoraly handokoana ny volo, toy ny :
-Fampiasana « Thé noir ». Manankarena « antioxydants » ny « thé noir » ka miaro ny volo amin’ny fahasimban’ny volo. Ankoatra izay dia manamaizina ny lokon’ny volo fotsy izy io sady mampangirana azy. Izany hoe tsy lasa mainty be ilay volo fa lasa matroka manopy volontany antitra ny lokony.
-Fampiasana kafe na moina. Samy akora natoraly afaka andokoana ny volo fotsy na ny kafe na ny moina. Rehefa mampiasa azy ireo dia ny volo fotsy ny mandray ny loko fa ny volo mainty sisa kosa mihamafy sy mihasalama. Tsy mandoko mainty ihany koa moa izy ireo fa manome loko matroka ny volo fotsy.
-Fanantonana mpanao volo. Raha maniry ny handoko ny volofotsy ho mainty tanteraka dia tsara kokoa ny manantona mpanao volo matianina. Izy ireny no manana ny traikefa sy ny vokatra mandaitra handokoana mainty ny volofotsy. Maro ireo mpanao volo no efa mampiasa vokatra natoraly eo amin’ireo tsy mahazaka vokatra misy akora simika.

Lire la suite

Articles Similaires