• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © 750 G
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « mille-feuilles »

11/06/2024 08:33 © Moov.Mg

Efa tsy zoviana amin’ireo mpankafy mofomamy intsony ny « mille-feuilles ». Matsiro dia matsiro tokoa izy ity ary efa maro ireo mpivarotra ahitana azy io. Azo atao tsara ny manamboatra « mille-feuilles » ao an-trano. Arahana tsara fotsiny ny dingana fikarakarana azy dia ho tafavoaka tsara izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « mille-feuilles »
-Rano 1 l ;
-Tamenak’atody 8 ;
-Siramamy 200 g ;
-« Maïzena » 110 g ;
-Dibera 25 g ;
-« Pâte feuilletée » efa vita ;
-« Sucre glace » ;
-Sôkôla mainty.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana « mille-feuilles »
Atomboka amin’ny fanaovana ny « crème pâtissière » :
Ampangotrahana ny ronono ary arotsaka ao ny antsasaky ny siramamy.
Etsy andaniny kapohana miaraka ny tamenak’atody sy ny ambina siramamy. Kapohana mafy tsara mba ho levona ny siramamy sy mba hivady ho fotsy tsara ny fangaro.
Arotsaka anatin’ny atody nokapohana io ny « maïzena » ary afangaro tsara mandra-pitambatra tsara azy ireo.
Arotsaka anatin’io fangaro io ny antsasaky ny ronono. Ajanona anaty ny vilany eo ambony fatana amin’ny afo malefaka kosa ny ambiny. Aroharohana tsara hifangaro.
Rehefa mifangaro dia arotsaka anatin’ilay ronono teo ambony fatana dia aroharoana amin’ny « fouet » mandritra ny 3 minitra eo ho eo mba tsy hisy tambaingambaingana miforona. Rehefa mihamarihatra matavy dia bataina.
Arotsaka anatin’ny fangaro efa niala teo ambony afo ny dibera. Afangaro tsara mandra-pitsoniky ny dibera. Endrasana mangatsiaka ny « crème pâtissière » avy eo atsofoka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny ora 1 fara fahakeliny.
Fisahana eo ambony latabatra nasiana lafarina kely ny « pâte feuilletée » efa vonona ampiasaina. Atao mifanaraka ny endrika sy ny haben’ny « plaque de cuisson » ny « pâte feuilletée ».
Asiana dibera na « papier sulfurisé » ny « plaque de cuisson » ary apetraka eo ny « pâte feuilletée » nofisahana. Somary tsindrontsindromina amin’ny sotro rovitra mba tsy hampibontsina azy. Aorian’izay dia rarahana « sucre glace » mba hanomezana loko « dorée » azy.
Saromana « papier sulfurisé » ny paty tsindriana amin’ny « plaque de cuisson » hafa tsy misy eo amboniny mba tsy hibontsina. Atsofoka andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mandritra ny 45 minitra.
Rehefa masaka ny paty dia zaraina 3 mitovy satria rihana 3 no atao. Didiana ihany koa ny sisiny 4 mba hampivoaka tsara ireo « feuilles ».
Avoaka ny « crème pâtissière » ary averina kapohana amin’ny « fouet » mba halama. Osorana « couche » voalohany eo ambonin’ny paty voalohany. Avy eo saromana ny paty faharoa. Osorana ny « couche » faharoa ary saromana ny paty farany.
Amboarina ny « glaçage ». Atao anaty « bol » ny « sucre glace » ary tapohana rano kely mba arihatra. Io « glaçage » io no ahositra eo ambonin’ny paty farany. Avy eo atsonika ny sôkôla ary io no hanaovana ny kisarisary hanaingoana ny tampon’ny « mille-feuilles ».

Lire la suite

Articles Similaires